Oktobra, volan’ny labiera. Manamarika izany koa isika eto Madagasikara. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo, ny andinindininy amin’ny « Oktoberfest 2025 ». Hisantarana izany ny « Star Tour Tamatave », izay hotontosaina ny 4 sy 5 oktobra izao. Hatao ao amin’ny toeram-piantsonan’ny fiara, ao amin’ny Arena Sports, indray izany amin’ity.
Toy ny mahazatra, hisy ny seho goavana izay iarahana amin’ireo mpanakanto kalaza, ka i Lion Hill sy i L Jo no hanafana ny sabotsy. Hotohizan’i Rootsman sy i Samoela kosa izany ny alahady. Eo hatrany ny fanentanana, lalao sy fanafanana sehatra efa mahazatra mandritra ny « Star Tour », iandraiketan-dry Fou Hehy, Bahrone, Teg, DJ Looping, DJ Landry ary i DjThree T.
Hisy vokatra manokana hatosiky ny Star mandritra ny « Oktoberfest 2025 ». Hivoaka indray, mandritra izany, ny « Gold Amigo », izay labiera tequilla efa nisy ihany ary be mpankafy tamin’izany. Homena toerana koa anefa ireo labiera hafa toa ny Queens, Gold, Beaufort, Fresh ary ny THB, izay mbola mitoetra ho lohalaharana, hatreto.
Handray ny « Oktoberfest » avokoa ireo toeram-pivarotanana salantsalany sy lehibe manerana an’i Madagasikara. Hitohy amin’ny alalan’ny « Camion Tour » kosa ny any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, ny 9 hatramin’ny 20 oktobra izao.
Zo ny Aina




