“Maro ireo manaratsy fa tsy mahay ny tena marina. Tsy nisy ady na kely aza teo amiko sy i Moopcan. Nangataka handeha manokana izy, nanome tsodrano azy aho na dia nisy aza ny fifanarahanay, tsy nanakana na dia kely aza aho satria tiako ary noraisiko ohatran’ny zanako izy…” Io ny fanazavana nomen’i Davalt, tao amin’ny pejiny “Facebook”, omaly. Nivoaka tamin’ny fahanginany ity mpikarakara mpanakanto anisan’ny malaza indrindra eto Madagasikara ity, satria maro loatra ireo nisintona lakolosy, ka nanaratsy azy.
Nialoha izao, efa nandeha ny feo fa niala tsy ho anisan’ny “Team Rwikordz” intsony i Moopcan. Izy tenany rahateo no nanambara ny fisintahany, saingy tsy nanome fanazavana ofisialy ity mpanakanto ity fa ny hafa no nandrirotra ilay resaka. “Zaza hendry sady manaja olona iny…Tsy misy idiran’ny hoe zon’ny mpamorona izany fa nomeko azy malalaka ireny hira ireny,” hoy hatrany i Davalt, nanamafy.
Toa ny fisarahana rehetra anefa, tsy maintsy misy ny alahelo satria tsara rahateo ny niarahana. Raha tsiahivina mantsy, mbola kely, mba tsy hilazana hoe zaza, i Riantsoa Tsiry, no noraisin’i Davalt an-tanana. Tsikariny ny talentany ny taona 2020, rehefa nisafidy ny hifototra amin’ny mozika ka nisafidy ny solon’anarana Moopcan i Tsiry. Nandeha tsikelikely teo ny ezaka, ka nirona tany amin’ny laza izany ny taona 2023. Nivoaka ilay hira “Anao tompony”, izay tena nampalaza an’i Moopcan, nampisongadina azy tao amin’ny Team Rwikordz.
“Efa mahatokana i Moopcan…”, hoy hatrany i Davalt. Inoana fa handeha hanohy ny lalany mankany amin’ny laza miakatra hatrany ity tanora mpanakanto, anisan’ny be mpankafy amin’izao fotoana izao, ity.
Zo ny Aina




