« Intervision 2025 »: Laharana faha-8 i Madagasikara

« Intervision 2025 », fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny hira, notanterahina tany Rosia. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Denise sy i D-Lain. Nisy ny nampisogadina azy mianadahy. Iray amin’ireny ny feo. Nanana ny fanapahan-keviny ny mpitsara…

Tontosa ny sabotsy 20 septambra lasa teo, ta­min’ny 10 ora alina, tany Rosia, ny fandraisan’anjaran’i Denise sy D-Lain tamin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena lehibe « Intervision 2025 ». Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitsara no nametraka azy mianadahy sy i Madagasikara teo amin’ny laharana faha-8 , raha 21 ireo firenena nifaninana. Ilay hira « Tiako hanjeky » no nahazoan’izy ireo io laharana io sy ny isa 338. Izany hoe, laharana voalohany aty Afrika izy mianadahy raha ho an’ity « Intervision 2025 » ity. Ilay teratany vietnamianina, Duc Phuc, tamin’ny alalan’ilay hira « Phu Dong Thien Vuong » kosa no nibata ny laharana voalohany, nahazo isa 422. Mahatratra hatrany amin’ny 30 000 000 roubles na 300 000 euros na 1 500 000 000 ar ny vola azony, ny sabotsy teo. Voa­lazan’ireo tany an-toerana, anisan’ny antony nahazoany io laharana io ny nisalorany ny akanjo mampiavaka an-dry zareo vietnamianina izay nam­piany tamina asa fikarohana momba ny fitafiana. Fantatra fa ny mpitsara avy any Kazak­hstan sy ny avy any Kyrgyzs­tan no nisafidy an’i Madaga­sikara ho laharana voalohany.
Marihina fa ny taona 1977 ka hatramin’ny taona 2008 no tena nampivelatra ny fifaninanana iraisam-pirenena « Inter­vision ». Niato izany ny taona 2009 ka hatramin’ny taona 2024. Ny 3 febroary teo, nanapa-kevitra ny filoha rosianina fa ha­verina sy hatsaraina hatrany ny « Intervision ». Fantatra nandritra ny fotoam-pamaranana fa any Arabie Saoudite no hanatanterahina ny « Inter­vision 2026 ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: