“New York Independent Art Film Festival” : Nahazo loka ny “Debout!”, an’i Felana R.

Nandrombaka ny loka tao amin’ny sokajy “Best Human Rights Short Film” ilay horonantsary “Stand up!” na “Debout!”, notontosain’i Fela­na Rajaonarivelo. “Raha toa ka nandefa ny horonantsary hifaninana aho tamin’ny volana mey lasa teo, tsy mbola noeritreretiko akory hoe ahoana ny mety ho tohiny. Efa fanomezana lehibe ho ahy ny nahatafiditra azy tao amin’ny New York Indepentdent Art Film. Taorian’ny volana maro niandrasana, nivoaka ny valin’ny fifaninanana, ary nahazo ny voalohany tao amin’ny sokajy Best Human Rights Short Film! Nofy tanteraka izany hoe nahazo loka any New York izany”, hoy i Felana raha naneho ny hafaliany, tao amin’ny pejiny.
Ho an’ireo mpanaraka sy efa nahita ny “Débout!”, mendrika izao fisongadinana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao. Tsy vao sambany mantsy no voasokajy tamina fifaninanana sy “festival” isan-karazany maneran-tany ity horonantsary ity. Efa nahazo loka dimy nandritra ny “Lon­don Indie Film Festival” ny “Débout!” Nahazo fankasitrahana manokana ihany koa nandritra ny « Austin Inter­national Art Festival” tao amin’ny sokajy “Best Women Empowerment Short”, ary efa nahazo tamin’ny sokajy “Best Women Film” nandritra ny “Power24 International Film Festival” tany Durban. Tsy mbola hatreo anefa, satria efa voasokajy ho anisan’ireo hiatrika ny manasa-dalana mandritra ny “Courage Film Fes­tival” any Berlin koa ity horonantsary ity.
Ny tsiambaratelony? Horo­nantsary mandona ny fo sy fanahy, maneho ny tantarana vehivavy, Malagasy, miisa efatra, manana fahasembanana, miatrika ny fiainana…

Zo ny Aina

Partager sur: