Doro tanety niteraka haintrano : Olona iray maty teo am-pamonjena ny fananany

Nitrangana haintrano in­dray tany Antafiandakana, kaominina ambanivohitra An­keriky, distrikan’Antsohihy, omaly tamin’ny 12 ora atoandro. Olona iray namoy ny ainy, may kilan’ny afo nandritra ny loza. Niezaka namonjy ny fananany may sy taraiky tao an-trano izy no tsy tafavoaka intsony ka tototry ny afo tao. Ankoatra izay, trano maro levon’ny afo, teo koa ny biby fiompy sy ny vary amin’ny gony rehetra ary ny maro hafa, raha ny tatitra voaray.
Nanomboka avy any an-tanimbary, manodidina ny tanàna, ny afo. Niezaka nifehy izany ireo fokonolona saingy tafakatra ny tanàna ihany ny afo, noho ny herin’ny rivotra nitsoaka. Niitatra haingana be ary nahazo tamin’ireo trano tany an-toerana. Samy nanavotra ny ainy ny mponina, tsy nisy entana afaka nobataina satria haingana be ny trangan’ny firehetana. Rava fananana sy tsy manan-kialofana ny mponina maro any an-toerana. Naharitra ora maro ny fifehezana ny afo, satria tamin’ ny 4 ora tolakandro vao vita izany.
Manoloana ny loza, mian­tso fanampiana avy amin’ny tomponandraiki-panjakana ny ben’ny Tanàna voafidy any Ankeriky, i Tsaralaza Germain Chirchile. Efa mikaroka ny nahavanon-doza tamin’ny fandoroana ny tanety kosa ny zan­dary any an-toerana.

Mino

Partager sur: