Hetsika tsy fahita firy. Hotanterahina ao amin’ny Batiment AUF Faravohitra, efitrano faha-17, ny zoma 26 oktobra izao ny velakevitra hifaka amin’ny lohahevitra: «Ny fiarahamonina malagasy sy ny fanapoizinana, ny takaitra, ny faharetana, ny fahaiza-miarina». Haneho ny heviny sy ny voka-pikarohany ary ny traikefa ananany momba io Randriamanana Kolo, psikôlôgy sy Randriamihanta Victorio, mpikaroka momba ny fomba amam-panao ary ny kolontsaina malagasy.
Velakevitra hampihaona ny tontolon’ny psikôlôjia sy ny kolontsaina malagasy, ahafahana misintona fahalalana maro momba ny fiarahamonina malagasy taloha sy ny ankehitriny ary ny ho avy. Hisy rahateo ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpitarika sy ireo ho tonga eny an-toerana. Marihina fa na tsy nanana ny sekoly tahaka ny fahita ankehitriny aza ny Malagasy, nanana ny maha izy azy kosa teo amin’ny famolavolana ny saina sy ny fitaizana hahatonga ny taranany ho olom-banona. Nohajaina fatratra, fahiny ny soatoavina… Nisy, anefa, ireo tranga nampiova «endrika» izany ka nanjary nanana ny fiantraikany teny anivon’ny fiarahamonina izy ireny.
HaRy Razafindrakoto




