« Indray andro any » : Hip-hop hitaizana ny tanora voafonja

Efitrano fandraisam-peo any amin’ny toby fanarenana. Tetikasa efa ela izao tontosa izao, ho an’ny fikambanana Ekah Madagasikara. Napetra­ka ao amin’ny toerana misy ireo tsy ampy taona, ao amin’ ny fonjan’Antanimora izy ity. Misy asa maro ao ambadiky ny Hip-hop. Azo atao fitaovana hampiatiana ireo tanora avy solafaka koa izy. Hialana ny lalan-diso ka homena tosika ny talentany mba hamiratra indray andro any. “Indray andro any, mifono fanantenana no nosafidinay ho anaran’ ny studio, hanatanterahana ny tanjona”, hoy ny nambaran’i Ben J ao amin’ny tarika Da Hopp, namaky lay ny Hip-hop teto Madagasikara. Izy ihany koa no nananganana ny fikambanana Ekah Madagasi­kara, ivondronan’ireo mitovy fijery, miara-manolo-tanana ireto tanora beazina ireto.

Mifanome tanana amin’ izany ireo milomano ao ana­tin’ny tontolon’ny Hip-hop, toa an’i Kwincy, Titie, Njiva Tahiry, Masnad, sns. Mampahafan­tatra, mampianatra ny rap ry zareo. Ma­nosika ireo manan-talenta amin’ny Hip-hop na ireo asa mety azo atao manodidina izany koa. Hiitatra amina fikotrehana tetikasa hivadika loharanom-bola ho an’ireo tanora izany, hiatrehany ny tohin’ny fiainana aorian’ ny fotoam-panarenana. Ma­narina mantsy fa tsy mandentika ny any, ary tolo-tanana ho an’ny fampiatiana tsy hisy fanilihana ny an’ny Ekah sy ny Humanité et Inclusion. “Tsy fialofan’ny mpidoroka zava-mahadomelina izany ny Hip-hop! Sary ratsy niniana nomena izany, kanefa ny mifanohitra amin’izany aza no misy, satria tena fanoitra ho an’ny fampiatiana ireo tanora diso lalana izy. Izay no ezahinay hasongadina anatin’ny tetikasa. Izay no ilana ny fifanampiana, indrindra avy amin’ireo mitovy fijery sy fanantenana”, hoy hatrany i Ben J.

Zo ny Aina

Partager sur: