Manana mpilalao vaovao efa kalaza amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Nahazo an’i Dax izy ireo. Haharitra herintaona ny fifanarahana.
«Nifindra lasy !» Nambara ofisialy teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fahatongavan’ Andriamirado Arohasina na i Dax ao amin’ny klioban’ny CFFA. Araka ny nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa na Maire Tôta, filohan’ny klioba sady lehiben’ny CFEM, haharitra herintaona ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. «Efa notaizako tao amin’ny klioban’ny Tana formation FC, tamin’izany, i Dax, ary tsy vaovao amiko intsony ny tenany sy ny fahaizany. Izy no azo heverin’ny Staff CFFA fa afaka handimby ny toeran’i Lalaina, izay lasa milaravinahitra any amin’ny Paradou FC Algerie», hoy ny Maire Tôta. Raha ny fanazavana voaray, azo havaozina ny fifanarahana eo amin’ny klioba sy i Dax. Nilaza ny hanome ny tsara indrindra avy aminy hatrany i Dax, na ho an’ny klioba na ho an’ny ekipam-pirenena Barea. «Tsy miova ny tarigetra fa ny hanome ny tsara indrindra avy amiko, na ho an’ny klioba na ho an’ny firenena», hoy ny nambaran’i Dax. Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalao nitondra avo ny Barea Chan 2022 sy 2024, sy tamin’ny Can 2019 i Dax, ary anisan’ny tena nahafatarana azy ny klioba Fosa Juniors FC Boeny.
Ny fifaninanana PFL
Raha tsy misy ny fiovana, mety hanomboka ny faran’ny volana oktobra izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)». Ity fifanintsanana ity izay ezahina hasiana fanatsaranakely no ho ilay teo aloha ary hisy ny fivoriana hatao hiresahan’ireo tomponandraikitra rehetra mahakasika izany.
Fitia Randria




