Ilay Frantsay mpilalao baolina kitra, lohalaharan’ny Paris St Germain (PSG), i Ousmane Dembelé, no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny taom-pilalaovana 2024/2025, ka nandrombaka ny «Ballon d’or». Ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny Théâtre du Chatelet Paris, no nanaovana ny lanonam-panolorana izany. Hetsika nokarakarain’ny France Foot-ball.
Anisan’ny andrin’ity ekipa parizianina ity ny tovolahy, izay vao 28 taona monja. Nisongadina izy nandritra ny famaranana niadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions”. Nitana ny laharana faharoa kosa ilay espaniola, i Lamine Yamal, mpanafika ao amin’ny FC Barcelone. Izy ihany koa no nahazo ny amboaran’ireo mpilalao tanora mendrika, fanindroany. Fahatelo ilay portiogey, i Vitinha, mpilalaon’ny PSG ihany koa.
Teo amin’ny sokajy vehivavy, i Aitana Bonmati, teratany espaniola ary mpilalaon’ny FC Barcelone no nahazo izany. Faharoa ilay mpiray tanindrazana aminy, i Mariona Caldentey, ao amin’ny Arsenal ary fahatelo ilay anglisy, i Alessia Russo, ao amin’ny Arsenal ihany koa.
Tompondaka




