Volley-Mada 1D : Mandravarava ny ekipan’ny Zandary

Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, mialoha ny hidirana amin’ny dingana farany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Tante­rahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano sy eny amin’ny ANS Ampefi­loha izany. Tsy mbola lefy laza hatreto ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball) izay mandravarava tokoa, na ny sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy. Tsy mbola resy mihitsy izy ireo, nanomboka tany amin’ny andro voalohany hatramin’ izao hidirana amin’ny andro fahadimy izao. Teo amin’izay vokatra izay, anisan’ny no­men’ny GNVB 2 lesona ny ekipan’ny ASI 2, teo amin’ny sokajy lehilahy, izay azo lazaina ho ekipa goavana. No­lavoiny tamin’ny seta 3 no
ho 0 (25-16 /25-15/25-19) ity farany. Torak’izany ihany koa ny ekipan’ny MVBC, resin’ny GNVB 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-18/25-23), nandritra ny andro fahatelo. Nan­dresy ny ekipan’ny CVBF tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-17/25-21/25-21) ihany koa ny Pole izay ekipa avy amin’ny Zandarimariam-pirenena iha­ny. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, lalao nahazoan’ny GNVB fandresena nandritra ny andro fahatelo, ny fifanandrinan’izy ireo tamin’ny ekipan’ny Bi’As. Na niezaka nanohitra aza ity ekipa ity, tsy afa-bela nanoloana ny GNVB. Resy tamin’ny seta 3 no ho 1 (25-15/25-14/21-25/25-16) ny Bi’As.

Raha ny fandaharam-potoana, hotanterahina ra­hampitso ny lalao ampahefa-dalana, ny zoma 26 septambra kosa ny manasa-dalana ary ny sabotsy izao, eny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranana.

Mi.Raz

Partager sur: