« Indray andro hono… » : Tsy ho hita anaty fanabeazana intsony ny angano

Tahaka ny firenen-drehetra maneran-tany. Manana ny fomba hitaizany ny taranany ny Malagasy. Iray amin’ireny ny fitantarana angano. Nihavery tsikelikely anefa izany… Afaka dimy taona, tsy ho heno intsony anaty fanabeazana izy io.

Indray andro, hono… Tsy hahafantatra intsony izay momba ny angano nisy teo amin’ny tanindrazany ny Malagasy. Araka ny nambaran’ireo mpampianatra sady mpahay momba ny fomba amam-panao : « ao anatin’ny 5 taona, ho foana ka tsy ho anisan’ny fanabeazana omen’ny ray aman-dreny ny zanany intsony ny fitantarana angano ». Antony lehibe maro no nanamafisan’izy ireo io voka-pikarohana io.
Ireo ray aman-dreny miaina amin’izao fotoana izao mihitsy no tsy mahay angano firy intsony. Na, mahay ihany fa sombintsombiny. Tsy omena lanja ao anatin’ny fandaharam-pianarana intsony ny angano. Ankehitriny, sarotra, na zara fa hita sisa ny boky mirakitra ny angano malagasy. Ilay toe-tsaina miatrika ny « angano » no tsy ananan’ny taranaka taty aoriana intsony. Raha vao miresaka momba ny angano malagasy. Maivana sy toa tsinontsinona ny andraisan’ny zaza sy ny tanora malagasy izany, ankehitriny.
… Taranaka ratsy taiza… Tafatoetra eo amin’io toerana io ny taranaka Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao, satria, maro ireo fanabeazana tsy azony vokatry ny tsy fitantarana angano intsony. Iray amin’ireo vahaolana natolotr’ireo mpampianatra taranja Malagasy sady mpahay momba ny fomba amam-panao ny hampidirana ny angano hifanindran-dalana amin’ny teknôlôjia vaovao. Soratana na alefa (feo na sary mihetsika…) any amin’ireo tambajotran-tserasera isan-karazany ny angano malagasy. Hiverenana havoaka indray ireo boky mirakitra angano. Ampidirina any anatin’ny fandaharam-pianarana ny fianarana momba azy ireny. Entanina ireo misehatra ao anatin’ny hainovakijery mba hampiditra ao anatin’ny fandaharany ny fitantarana angano.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: