Volley-Mada 1D : Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division” lahy sy vavy. Ekipa 4 isaky ny vondrona manana isa ambony indrindra no hifandona mandritra ity ampahefa-dalana ity. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lalao anisan’ny nandrasana ny teo amin’ny sokajy vehivavy, nifandonan’ny Squad sy ny GNVB. Ekipa samy manana ny maha izy azy izy ireo ary tsy fantatra tany am-piandohana izay hivoaka ho mpandresy. Ekipa tsy nisy nahatohitra nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona ny GNVB saingy resin’ny Squad izy ireo tamin’ity lalao omaly ity. Seta 3 no ho 0 (25-21/25-13/25-22) no nandresen’ny Squad ny GNVB. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, fihaonana anisan’ ny niady ny teo amin’ny CVBF sy ny ASI 2, ka nahazoan’ity farany ny fandresena tamin’ny seta 3 no ho 1 (29-27/25-14/25-18/25-21). Teo ihany koa ny fifanandrinan’ny GNVB2 sy ny pôle GN, ka seta 3 no ho 0 (25-17/25-21/25-18/25-15), nivoaka ho mpandresy ny GNVB2. Ho amin’ny anio, efa fantatra daholo ny fandaharan-dalao izay hanomboka amin’ny 7 ora maraina, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Mi.Raz

Fandaharan-dalao
Lehilahy : GNVB 2 vs NADJY VB / COSFA vs ASI 2 / GNVB 1 vs MAMA / ASI 1 vs POLE
Vehivavy : SQUAD vs ECVB / GNVB vs EVBI /AMVB vs BI’AS / ASI vs MAMI

Partager sur: