Hotontosaina ny 3 hatramin’ny 16 oktobra izao, any Albanie, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes. Hanana solontena i Madagasikara.
6 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Échecs, sokajy Jeunes ity. Ny sokajy latsaky ny 14 taona, 16 taona ary 18 taona no hifaninana ka hananan’i Madagasikara solontena avokoa. Eo amin’ny U14, Rabarison Ny Andolalaina Fitia Noah, Tojomalala Sombin’Aiko (Guest) ary Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra no handray anjara. Andrianarivony Sitraka Irvin Keynnan sy Lalasoa Miarana Irinah kosa no hifaninana eo amin’ny sokajy U16. Ilay mpilalao échecs vao nandrombaka ny fandresena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vehivavy, farany teo, Randriatsiferana Dimbiharentsoa Christiana, kosa no solontena malagasy eo amin’ny sokajy U18, amin’ity fiadiana ny tompondaka maneran-tany hatao any Albanie ity. Na dia efa fantatra aza ireto solontena malagasy ireto, mbola miantso fanohanana hatrany ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs. Vonona ny hiady ho fanandratana avo ny sainam-pirenena malagasy izy 6 mianadahy ireto ka misokatra sy mandray izay fanohanana sy fanampiana avy amin’ny malala-tanana rehetra. Atleta voatsonga tamin’ny fifaninanana nasionaly avokoa izy ireo ka manana ny vintana hahazo vokatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsiahivina fa mbola manana solontena malagasy eo amin’ny sokajy U10 sy U12 i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity, miatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets. Mbola ao anatin’ny fifaninanana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao, izay haharitra hatramin’ny 30 septambra.
Mi.Raz




