Baolina kitra : Hilalao ao amin’ny Al Merrikh SC i Fenohasina

Nambaran’ny klioba Al Merrikh SC avy atsy Soudan, omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’izy ireo, fa lasany tanteraka i Fenohasina Gilles, Malagasy lohalaharana. Naharesy lahatra azy ireo haka an’ity mpilalao ity ny zava-bitany nandritra ny fifanintsanana Chan 2024 farany teo iny. Araka ny fikarohana natao, haharitra efa-taona eo ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsy ho mpilalaon’ny Ajesaia intsony, araka izany, i Feno, mandritra ny taom-pilalaovana manaraka eo. Tsara ny mampahafantatra fa ankoatra an’i Fenohasina, ahitana an’i Nicolas, vodilaharana afovoany ihany koa ao amin’ny klioban’ny Al Merrikh SC. Nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea ihany koa moa i Nicolas.
Andrasana ny fanambarana ofisialy avy amin’ny klioban’ny Ajesaia. Ampahatsiahivina ihany fa efa nandalo tao amin’ny klioban’ny Elgeco Plus PFL, i Fenohasina, ary tamin’ny farany teo, niverina nanatevina ny Ajesaia, ary izao efa milaravinahitra any Soudan izao.

Fitia Randria

Partager sur: