Fitakiana an-dalambe: Tsy manaiky lembenana ny mpitandro filaminana

Miparitaka manerana ny renivohi-paritany ny korontana sy ny fandrobana. Nanomboka omaly, mifanome tanana ny mpitandro filaminana sy ny olona mbola tsara sitrapo, miady amin’ny mpandroba.

Tsy toy ny olona manao fanehoan-kevitra na toy ny olon-tsotra ireo izay manao ny fandrobana, fa raisina ho toy ny fahavalom-pirenena, mitondra fanakorontanana ny fianam-bahoaka, ra­ha ny fanambarana na­taon’­ny avy amin’ny Emmo­nat, omaly. « Misy ny fepetra tsy maintsy horaisina manoloana izany, mba hamerenana ny filaminam-bahoaka (ré­tablissement de l’ordre public) », hoy ny jeneraly Ravoavy Zafisam­batra, mpitondra tenin’ny Emm­onat. Naparitaka sy nalefa amin’ireo toerana rehetra misy ambana ny mpitandro filaminana. Toy ny toerana ahitana famokarana solika, herinaratra, ny toeram-pivarotana samihafa, vaventy sy salasantsasany, ary ireo misy zavatra tena iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro. “Tsy toy ny mpitandro filaminana miatrika mpaneho hevitra fa mpitandro filaminana miatrika ireo sanatria tsy mataho-tody manao fandrobana”, hoy ihany izy. Noha­mafisiny fa mpitandro filaminana mitondra fitaovam-piadiana ary hametraka ny tanjona ambony eto amin’ny firenena dia ny filaminana. Tanjona ny hahafahan’ny tsirairay miatrika ny fiainany andavanandro toy ny asa famokarana ary ahafahan’ny tsirairay mivezivezy amin’ny toerana izay manandrify azy avy.

Olona iray namoy ny ainy tetsy Tanjombato

Tonga nanaparitaka ireo mpandroba teny amin’ny Jumbo Score Tanjombato ireo mpitandro filaminana, omaly maraina. Efa saika hiditra handroba sy handoro teo alohan’ny vavahadin’ny tranombarotra lehibe ihany koa ireo andian’olona. Naparitaka ta­min’ny alalan’ny tifi-danitra sy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireo olona nitangorona. Nitohy ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta, ka olona iray no maty voatifitra. Efa nentina nihazo ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny razana. Ankoatra izay, olona roa namoy ny ainy tany Antsiranana vokatry ny tifitra nataon’ny mpitandro filaminana azy tany Diego, omaly atoandro. Anisan’izany, ny mpianatra iray. Nitokona nanao fitakiana noho ny fahatapahan’ny jiro sy rano izy ka voatifitra ary izao maty izao. Nolanjain’ireo mpianatra na­ma­ny nentiny niakatra ny Centre-ville moa ny razana taorian’ny tranga. Nanamafy izy ireo fa hihamafy ny tolona. Nisy mpanao gazety ihany koa naratra voatifitra. Etsy ankilany, tovolahy iray vao 17 taona monja, avy ao amin’ny fokontanin’i Mahazina, namoy ny ainy vokatry ny fifanjevoana niseho tany Antsirabe, afakomaly. Nisehoana fandrobana sy fanakorontanana tany amin’ny Cosmos Antsirabe ka maty voatosika sy voahitsaka tao izy io. Maro ihany koa ny naratra sy vaky loha noraisina tao amin’ny hopitaly An­dranomadio, ho an’ny omaly, ary lehilahy iray no potika tanana tanteraka, nandray ary namerina baomba mandatsa-dranomaso.
Maherin’ny 20 voasambotra

Nitohy hatry ny omaly ma­raina ny fandrobana nataon’ireo mpanararaotra nandritra ny korontana teto An­tana­narivo Renivohitra. Ma­no­­loana ny fandrobana nihatra tamin’ireo tranombarotra lehibe teny Ankorondrano, Ambo­divona, Ambohibao, Talata­maty sy Ankazomanga, nihetsika nanao fisafoana nanerana ny toerana ahina ho mbola misy sahy nikomy handroba ny mpitandro filaminana. Nosakanana ny fikasan- dratsin’izy ireo haka fananan’olona. Na izany aza, misy amin’ireo mpanao fihetsiketsehana nandoro kodiarana ho an’ny teny Tanjombato, omaly maraina. Tetsy ankilany, nifanampy tamin’ny famerenana ireo entana halatra ny mponina teny anivon’ny fokontany sasantsasany. Nanakana avy hatrany ireo mpitatira halatra izy ireo ary nangoniny tamin’ny toerana iray izany. No­samborin’ny mpitandro filaminana koa ireo vatan-dehilahy nanosika moto halatra nandritra iny korontana ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 26 septambra iny. Olona efatra tratra teny Analakely ary manodidina ny 15 ireo tratra nandray anjara tamin’ny fandrobana teny Itaosy.

Tsiferana R/ Mino

Partager sur: