Namoy ny ainy, omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ny hopitaly HJRA, ny solombavambahoaka Rabenirina Jean Jacques, taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny Andoharanofotsy. Nitrangana fihetsiketsehana nataon’ny mpitokona teny Andoharanofotsy, nanomboka ny alakamisy 25 septambra ary nitohy omaly. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy teny an-toerana ity solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Betioky Atsimo ity, ny harivan’ny alakamisy teo. Nirimorimo tampoka ny kamiao lehibe iray ka nifatratra avy hatrany tamin’ny fiara nitondra ilay olom-boafidy. Naratra mafy, nandritra izany, ity farany ka voatery nentin’ireo nanatri-maso nihazo ny hopitaly. Nandositra tao anatin’ny fiara ny mpamily tamin’ny fotoan’ny loza. Nifanenjehan’ireo vatan-dehilahy teny an-toerana io lehilahy io saingy tsy tratra. Nodoran’ny olona ny fiara.
Ny antoko Avi dia manolotra fisaorana feno ho an’ny honorable Rabenirina Jean Jacques. Efa filoha lefitry ny Avi, efa filoha mpiara-mitantana io antoko io izy. Minisitra teo aloha natolotra tamin’ny anaran’ny Antoko ihany koa.
Tsiferana R.




