Trano iray tao amin’ny fokontany Ampanataovana Antsirabe no nihotsaka, afakomaly. Nanala ireo vato sy biriky ny avy ao amin’ny 5UPC Antsirabe. Na teo aza ity fihotsahana ity, tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra araka ny tatitra voaray avy any an-toerana. Mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra ataon’ny eo anivon’ny Tafika Malagasy manerana ny Nosy manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso. Miara-misalahy ireo miaramila avy ao amin’ny bataillon d’infantérie Morondava sy ny miaramila mpamonjy voina avy ao amin’ny 7UPC “Unité de protection civile” amin’ny famonjena ireo mponina traboina vokatry ny fiakaran’ny rano ao Morondava. Nifandrimbona izy ireo namindra ireo traboina nihazo ny toerana voatokana hametrahana azy ireo. Mitohy koa ny fitsirihana ataon’ny miaramila avy ao amin’ny 7UPC eny amin’ireo toerana iva mba hanafainganana ny famonjena ireo traboina. Difotry ny rano koa ny tanànan’i Nosimbola, distrikan’i Belo Tsiribihina. Hatramin’ny afakomaly, namindra ireo traboina any amin’ny toerana voatokana handraisana azy ireo ny miaramila avy ao amin’ny compagnie d’infanterie Belo. Maro ireo trano sy tamboho rava vokatry ny rotsak’orana nentin’ny rivodoza. Miangavy ny rehetra mba hitandrina sy hampihatra ny fepetra fiarovana amin’ny rivodoza ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenana miaraka amin’ny BNGRC.
Jean Claude