Nankalazaina tany Antsirabe ny 26 janoary 2023 teo ny Andro eran-tany ho an’ny fadintseranana. Nankalaza izany koa ny tany amin’ny faritra rehetra misy fadintseranana eto Madagasikara. Niompana tamin’ny lohahevitra fanohanana ny tanora ny fotoana, natrehan’ny mpianatra maro sy sokajin’olona samihafa.
Lohahevitra naroson’ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD) ny hoe « Fanohanana ireo tanora », nanomezana vahana ny tokony hahalalan’ny rehetra ny toeran’ny fadintseranana amin’ny fampandrosoana avy amin’ny vola ampidiriny. Nambaran’ ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest, ohatra, fa nitombo 32 % na 4240 miliara Ar ny hetra nampidirin’ny ladoany tamin’ny 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021. Nihoatra tamin’izay novinavinaina tany am-boalohany, ary mbola kendrena ny hampiakarana izany.
50 % ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana avy amin’ny fadintseranana avokoa, miantoka ny fampandehanan-draharaha, karaman’ny mpiasam-panjakana, hopitaly, ampahany amin’ny fampiasam-bola, sns. Fampidiram-bola, fanaraha-maso, fiarovana. Ireo no andraikitra lehibe sahanin’ny ladoany. Ohatra, tamin’ny 25 janoary 2023 teo vao nahatrarana volamena teny Ivato. Nahavita ny asany ny ladoany avy amin’ireo alika mpitsongodia, saingy tsy fantatra indray izay ho fiafaran’ny raharaha.
Ity taona 2023 ny hankalazana ny faha-200 taona ny fadintseranana malagasy, tokony natao tamin’ny 2020 fa tsy afaka noho ny Covid-19. « Koa hampahafantarina amin’izany ny lalana sy asa rehetra, ary fanavaozana nodiavin’ny fadintseranana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka teknika sy mpamatsy vola », hoy ny tale jeneraly.
Fiarahana amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa
Noho ny lohahevitra noraisina, nambara ny fiarahana amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, sampana matematika, siansa, fizika. Hampahafantarina ireo mpianatra ny asan’ny ladoany. Teo ny fikarohana nataon’ireo mpianatra momba ny loza mety hitranga. Na izany aza, niaiky ny tsy mety ataon’ny mpiasa sasany ny tale jeneraly, « Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay hamarara », hoy izy.
Nanatrika ity fotoan-dehibe ity ny minisitry ny Toekarena sy ny vola (MEF), Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny governoran’i Vakinankaratra, Rakotovao Vy vato, mpiasan’ny ladoany, tanora mpianatra, ary sokajin’olona maro. Nomen’ny fadintseranana marim-pankasitrahana ireo nahavitabe tamin’ny asa fanampiany na mpiasa ao aminy na tsia.
Ndrina