Fianarantsoa: fahatelo amin’ny famokarana tantely

Mamokatra tantely 16 000 t isaky ny fotoam-pamokarana ny faritra Ma­tsiatra Ambony. Fahatelo aorian’i Vatovavy sy Amo­ron’i Mania izy raha ny famokarana tantely ao anatin’ny faritanin’i Fia­narantsoa. Tao­rian’Am­bositra dia i Fia­na­rantsoa indray, omaly 27 janoary 2023, no nandray ireo milina fanodinana tantely, isan’ireo fitaovana hananganana orinasa 75 efa tonga, amin’ilay tetikasa orinasa iray isaky ny distrika (Odof). “Manom­boka izao isan-kerinandro, hisy orinasa apetraka isaky ny distrika iray”, hoy ny minisitra misahana ny Indostria (Micc), Razafindravahy Ed­gard.
Liana ny Faritra Matsiatra Ambony nizaha ireo milina fanodinana tantely sy nihaino ny fanazavana nentin’ny mi­nisitra Razafindravahy Ed­gard. Nahitsy izy raha niteny ny tsy tokony hampifangaroana ny indostria lehibe sy ny Taninketsa Indostrialy. Misy tokoa ny orinasa lehibe ma­mo­katra simenitra any An­tsirabe, na ny fanaovana siramamy any Vatomandry sy Morondava izay manana ny mampiavaka azy.
Hafa no ho ireny ny Ta­ninketsa Indostrialy, orinasa manakaiky tantsaha ny hajoro, satria eny ifotony ary tantanana eny ifotony. Natao ary ny Antso ho an’ny fitantanana ny tetikasa ho an’izay mpandraharaha vonona hitantana io orinasa madinika io. Hisy vao­miera hajoro hijery ny atontan-taratasy momba iza­ny. Telo herinandro aorian’izao ny valiny, ka rehefa ny valiny hatao ny Fifanekena eo amin’ny telo tonta (Conven­tion tripartite) : ny Minisitera (Micc), ny kaoperativa ary ny mpandraharaha voafidy.

Ndrina

Partager sur: