Toliara : mitaky ny hanokafana ny Base Toliara ny hery velona rehetra

Nanao fanambarana iombonana ny sokajin’olona marobe, omaly 27 janoary tany Toliara. Nahitana fikambanana, olobe, tanora ary olon-tsotra, nitaky ny filoham-pirenena Rajoelina Andry hanokatra ny orinasa Base Toliara.
Nitarika izany ny filohan’ny vovonan’ny olobe any To­liara, Mana Parfait. Mivantana any amin’ny filoha Rajoelina ny antsony, milaza fa « efa nahaangona ny hevitry ny vahoakan’i Toliara sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny izahay. Manantena izahay fa haverina hosokafana ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Base Toliara ».
Nihantona ny novambra 2019 ny Base Toliara ary niato koa ny tetikasam-pampandrosoana rehetra tany amin’ny kaominina Tsianisiha, Ankili­malinike, Belalanda, Maromi­an­dra ary Toliara.

Hanome asa 4.680
Nambaran’ity olobe ity fa, « efa nahavelom-panantenana ny maro ny fisian’ny Base, talohan’ny nampiatoana azy. Araka ny antontanisa avy amin’ny Base Ressources, miisa 4.680 ny asa hiforona (mivantana sy tsy mivantana) raha vao manomboka ny tetikasa. Efa nahafeno ny fepetra ara-panjakana izy, ka anisan’izany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, ohatra».
Mahatratra 750 ny tanora efa nofanina tany Toliara mikasika ny indostria mavesatra, ny taon-trano, ny fanaovam-biriky, ny informatika, ny zaitra, ny fanaovan-tsavony, sns. Miisa 24 ny niofana manokana tany Kenya, nandritra ny 2 taona, mikasika ny herinaratra, ny mekanika indostrialy, ny fiarakodia, sns, toa an’i Naina niofana ny asa vaventy BTP. Izany no mahatonga ny maro an’isa mitaky ny hanokafana azy.
Navoitrany koa fa, « hampandroso ny kaominina maro ny fisiany, satria hampidi-bola avy amin’ny hetra sy ny tamberim-bidy, hanaovana tetikasam-pampandrosoana. Manodidina ny 700 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolany ary hirotsaka ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina voakasika ny 14 miliara Ar ».

Manohana ny vehivavy, ny mpandraraha sy ny mpanjono
Mangataka amin’ny filoham-pirenena i Rtoa Ninie Augustine, filohan’ny fikambanam-behivavy Toliara sady mpandraharaha ara-toekarena, hanokatra ny Base ho tombontsoan’ny vehivavy. Maro izy ireo nahazo fiofanana sy niasa ho an’ny orinasa. Ha­nampy trotraka ny fahasahiranana any Atsimo Andrefana ny fampihantonana azy.
Ho an’i Tsiamby, mponina any Benetsy, « aoka hangina ireo mpandainga, izay olona tsy mipetraka ao amin’ny kaominina dimy voakasiky ny tetikasa, milaza fa ho ritra ny rano raha misy ny Base. Ho an’ireo monina ao amin’ny faritra voakasika indray, aoka izy ireo hanazava marina ny antony hanoherany ny tetikaasa ».
Nilaza i Zafy, mpanjono, fa « maro ny fikambanana mpanjono mitaky ny hanokafana ny Base, toy ny Kintana Fahaza­vana, ny Anosivato Miray, ny Fivemi, ny Fivetelo ».

Njaka A.

Partager sur: