«Open d’Australie» : hanao famaranana i Djokovic sy i Tsitsipas

Hafana tanteraka ny lalao famaranan’ny taranja tenisy “Grand Chelem Open d’Aus­tralie”. Hihaonan’i Novak Djokovic, mpilalao serba laharana faha-5 amin’ny ATP sy i Stefano Tsitsipas, mpilalao grika laharana faha- 4 ny ATP ihany. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’ i Rod Laver Arena, rahampitso alahady 29 janoary.
Raha hiverenana ny lalao manasa-dalanan’izy ireo, lavon’i Djokovic tamin’ny seta 3 no ho 0 ( 7/5, 6/1, 6/2) ilay Amerikanina, Tommy Paul. Resin’i Stefanos Tsi­tsipas tamin’ny seta 4 no ho 1 ( 7/6, 6/4, 6/7, 6/3 ) kosa ilay Rosianina Karen Khacha­nov. Lalao roa izay notanterahina omaly tao amin’ny kianjan’ny Rod Laver Arena ihany. Tsiahivina fa efa impolo izay i Djokovic no nanao lalao famaranan’ny “Open d’Australie Mel­bourne”. Famaranana voalohany hataon’i Tsitsipas koa ny amin’ity fifaninanana ity.
Marihina fa tsy mbola resy mihitsy izy mirahalahy ireo nandritra ity taom-pilalaovana ity. Ankoatra izay, hiakatra eo amin’ny laha­rana voalohany maneran-tany amin’ny tenisy izay mandresy amin’izy mirahalahy rahampitso eo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: