Rehefa voasakana ny mpidina an-dalambe teto an-drenivohitra, tafiditra tao Ambohijatovo kosa ny avy eny Imerintsiatosika. Mbola nirefodrefotra ny grenady mandatsa-dranomaso, omaly.
Tsy nanaiky raha tsy tafiditra an’Ambohijatovo ireo mpitolona nanao ny hetsika omaly. Nifarimbona sy nanamafy ny tolona ny avy amin’ny “Generation Z”, ny mponina sy ny tanora maro avy any Imerintsiatosika sy Vontovorona, izay notarihin’ny ben’ny Tanànan’Imerintsiatosika, Andriambolanarivo Parisoa. Nizaraza ny fidiran’izy ireo, nisy ny niditra avy any Ambondrona. Nifanjinja tamin’ny mpitandro filaminana nanomboka tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro ireto farany. Nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso nataon’ny zandary ary tsy nahita lalan-kidirana mihitsy.
Niainga avy any Imerintsiatosika nihazo an’Ambohijatovo kosa ireo mponina sy tanora maro, omaly maraina. Nigadona teo Anosy izy ireo tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny mpitandro filaminana izay nanao sakan-dalana. Naharitra minitra maromaro izany, rava ny sakana satria navela malalaka ireo tanora. Nihazo an’Ambohijatovo ireo mpitolona, taorian’izay. Niezaka niditra namonjy azy ireo koa ny avy amin’ny Gen Z izay niezaka niditra avy any Ambondrona.
Lasibatra ny mpanao gazety
Mpanao gazety miisa roa, avy amin’ny orinasa tsy miankina, nipoahan’ny baomba mandatsa-dranomaso teo Ambohijatovo, omaly. Nirefotra ny entona mandatsa-dranomaso tamin’ny 4 ora tolakandro. Samy niparitaka namonjy ny ainy sy niafina avokoa ireo mpitolona rehetra. Nihamafy ny hetsik’ireo tanora, nanomboka nandrava entana, toy ny fitoeram-boninkazo teo Ambohijatovo, ny mpitolona. Nitora-bato ireto farany. Nanao sakana tamin’ny fandoroana ireo zava-maniry teny an-toerana. Tsy nanaiky lembenana anefa ireo mpitandro filaminana fa nanaparitaka ireo tanora maro.
Safotra vokatry ny entona
Olona miisa telo tsy nahatsiaro tena noho ny tsy fahazakana ny fofona mahery azo avy amin’ny fipoahan’ny lakrimozenina niseholany teny Antaninandro sy Ambohijatovo, omaly. Zaza ny iray ary nentina haingana tao amin’ny Ostie Behoririka. Nalain’ny sampana mpamonjy voina kosa ireo olona roa torana ho an’ny teny Ambohijatovo, ny tolakandro.
Pasitera avy amin’ny fiangonana FJKM iray naratra teo amin’ny sandriny vokatry ny fipoahan’ny baomba mandatsa-dranomaso. Nilaza ny hanamafy ny tolona hatrany moa ny tenany na dia teo aza ny ratra nahazo azy. Tsy nisy kosa ny olona voasambotra tamin’ny hetsika omaly iny.
Mitaky ny Kianjan’ny 13 mey
Mbola hitohy anio ny hetsika, ary hitaky ho eo amin’ny Kianjan’i 13 mey ireo mpitolona. Tsy hijanona amin’ny fitakiana izy ireo raha toa ka tsy tafiditra eo amin’io Kianja nangatahiny io izy ireo. Hanamafy ny fitakiana sy ny fidinana an-dalambe ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny. Marihina fa efa hita nidina an-dalambe nanampy ireo mpitolona ny mpanakanto sasantsasany eto amin’ny firenena.
Mino / Tsiferana R.




