Manan-talenta manokana amin’ny fitendrena angorodao sy fiantsana ny gadon-kira tsapiky i Rebily Jean na i Jean Piso. Avy any Andranokototo, Betioky, faritra Atsimo Andrefana ny fiaviany.
Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andranokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha ny fanadihadiana natao taminy. Anisan’izany i Black Nadia.
Anisan’ny nahafantaran’ny olona azy io anarana io. Indrindra tamin’ny fitendrena angorodao niaraka tamin’ny tarika Angeline sy Jacqueline. Niandohan’ny filalaovany mozika ny tao anatin’ny tarika Ny Malagasy Orkestra. Tsy nijanona teo fa niara-niasa tamin’ny tarika maro, teto Madagasikara sy tany ivelany izy. Voiziny indrindra amin’izany ny gadona tsapiky. Mampangorintsina ny mpankafy rehetra ny fihainoana ny feonkira tendreny. Milalao karazan-kira maro ihany koa anefa i Jean Piso. Ahafantaran’ny maro azy ny fitendrena angorodao. Mitendry vatamaroafitsoka, indrindra rehefa any am-piangonana ity mpanakanto ity. Eo ihany koa ny gitara klasika sy ny gitara basy.
Nandray anjara tamin’ny « Festival Angaredona »
Iray tamin’ireo mpanakanto nandray anjara tamin’ny « Festival Angaredona », andiany faha-19, natao teny Ambohimanga Rova, notontosaina ny sabotsy 13 hatramin’ny alahady 21 septambra 2025, i Jean Piso. Nampita fanilo amin’ny tanora sy ny taranaka ankehitriny ny tenany. Efa feno 60 taona mahery ny nilalaovany ireo mozika ireo, raha ny nambarany.
Nitendry voalohany izy teo amin’ny faha-10 taonany
Efa nitendry angorodao fony mbola kely i Jean Piso. Efa nitendry teo anatrehan’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana izy tamin’ny faha-10 taonany. « Napetraka ambony seza aho no nitendry, faly ny filoha ka nanome ahy vola 600 Ariary tamin’izany fotoana izany », hoy ihany izy nitantara. Hividianana bokoboko sy kida io vola azo io tamin’izany, rehefa nanontanian’ny filoha. Nahitsin’io filoha io anefa izy fa tokony zavatra mifandraika amin’ny fianarana no handaniana ilay vola. Manoloana izany, nividianana fitaovam-pianarana rehetra ny vola ary mbola nisy famerim-bola nahafahana nividy kida sy mofo.
Mampianatra tanora maro
Ankoatra ny filalaovana mozika, mampianatra ireo tanora mpanakanto any Toliara ihany koa i Jean Piso. Manodidina ny 15 ireo tanora efa nisitraka izany. Ataovy eo ambanin’ny fitiavana mozika ny fitiavam-bola, raha ny hafatra nampitainy. Mila mamorona zavatra mampiavaka ny tena ihany koa ao anatin’ny mozika mba tsy hitovizana amin’ny hafa. Ankoatra izay, voarakitra ao anaty boky, tantara an-tsary ny fiainan’i Jean Piso, nosoratan’i Geneviève Marot. Mitondra ny lohateny hoe : « Sous le Tamarinier de Betioky » ny boky.

Feon-tsaka
Nitondra ny anarana Jean Piso izy amin’ny sehatry ny mozika. Anarana azo efa tamin’ny mbola kely izy io. “Efa niantso ahy tamin’izany avokoa ny ankizy rehetra tany am-pianarana, indrindra tany amin’ny ambaratonga fototra”, hoy izy nanazava. « Raikitra ny totohondry rehefa misy ankizy miantso ahy amin’io anarana io satria ampiarahan’izy ireo amin’ny feon-tsaka », hoy hatrany izy. Tetsy ankilany, nisy tantara io anarana io, raha ny nambaran’ny reniny taminy. Noheverin’ny ray aman-dreniko fa efa maty aho tamin’ny vao teraka satria efa mangana sady tsy nihetsika, niezaka namelona azy ny rasazy tamin’izany ary voalaza fa efa tsy velona intsony izy, hoy izy nitantara.
Raha ny fomban-tany, tsy azo atao anaty vata ny zazakely rehefa tsy azo fa fonosina lamba fotsiny rehefa handeha ho « ariana ». Efa ndeha halevina tany ambanivohitr’i Ejeda ny razana, tamin’izany. Toa naheno feon-tsaka anefa ny olona, teny an-dalana hanatontosa izany, nefa toerana tsy tokony hisy saka mihitsy. Hita sy tsikaritra fa nihetsika ilay zaza nokasaina halevina, tamin’izany. Rehefa nesorina ny lamba namonosana ilay zaza, zaza nitomany namoaka feon-tsaka no hita tao, raha ny fanazavany hatrany. Nanomboka teo, nanjary anarana niantsoan’ny rehetra azy ny hoe : « Piso ». Nitombo ny taona ary nianatra teny amin’ny Lycée Laurent Botokeky tao Toliara ny tenany. «Tsy nitsahatra ny fiantsoan’ny ankizy ahy tamin’io anarana io. Noho izany, nanaiky ny hitondra io anarana io aho», hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Mino




