Befandriana Avaratra: Olona valo maty tototry ny tany

Mpitrandraka fasimainty miisa valo niara-namoy ny ainy tototry ny tany tao Marivoragna Angarongana, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly. Olona am-polony niara-niasa tao amin’io toeram-pitrandrahana io. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo. Nihotsaka ny tany tamin’ny lavaka fitrandrahan’izy ireo harena an-kibon’ny tany. Nianjera avy hatrany tamin’ny toerana nisy ireo mpiasa ny tany. Olona maherin’ny 15 nifamonjena nandritra io tranga io. Olona miisa valo tsy tana vokatry ny fahasemporana rehefa nosaroman’ny ranon-tany. Tetsy ankilany, olona miisa enina naratra mafy saingy avotra soa aman-tsara nandritra ny voina. Nifanampy tamin’ny famoahana ny nofo mangatsiakan’ireo mpitrandraka namoy ny ainy ireo fokonolona nanatri-maso. Nentina niakatra ny tanàna ary natolotra ny fianakaviany ireo lasibatra ireo. Marihina, mila mailo hatrany ireo mpitrandraka indrindra amin’ny vanim-potoana manakaiky fahavaratra tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: