Hatramin’ny zoma 26 septambra lasa teo, nisian’ ny hetsiky ny leo delestazy sy fitakiana rano nataon’ ny mpianatra anivon’ny Oniversiten’i Toamasina, nirongatra izaitsizy ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina ary namoizana ain’olona iray izany. Tranga voalohany ny alin’ny sabotsy, tao Boulevard Ratsimilaho, tokony ho tamin’ ny 8 ora alina, izay efa nihoatra ny ora tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina. Tovolahy iray voalaza ho efa namonjy fisotrosotroana teny amoron-dranomasina ka nitondra moto hamonjy fodiana nandeha mafy ary nampiakatra lohana moto ihany koa no nianjera ho azy ary napitiky ny moto nentina. Namoy ny ainy ity farany rehefa tonga tao amin’ny hopitaly. Ity rahateo ny lozam-pifamoivoizana faharoa namono olona ary mbola tamin’ny faritra efa nahafaty raim-pianakaviana hafa ny fiandohan’ny taona teo. Raha tsiahivina, efa nisy raim-pianakaviana mijanona miresaka amina vehivavy no notrongisina fiara tsy mahataho-dalana teo ka maty tsy tra-drano. Faharoa, ny maraina teo, tetsy amin’ny Bazary may Ankirihiry. Fiara taksiborosy mankany Mananara nitrongy andrin-jiro, ny alarobia voalohan’ ny volana oktobra teo. Tsy nisy naratra, potika kosa ny fiara ary tapaka ny fananam-bahoaka. Ny mpamily rahateo mbola naharenesana fofon-toaka. Io alarobia io ihany, posy mitondra hazo voasarongotra Bajaj ny lohany ka nianjera sy naratra ilay mpitondra posy.
Sajo




