Nisehoana fanafihana sy vaky trano tetsy amin’ny fokontany Antanetibe sy Ambohijanahary, kaominina Antehiroka, ny talata hifoha ny alarobia lasa teo. Nikasa hanao vaky trano sy hala-boty teny Antanetibe ireo olon-dratsy maromaro. Nirotsaka nanenjika sy nisambotra azy ireo ny andrimasom-pokonolona teny an-toerana. Voasambotra ny efatra tamin’izy ireo ary nentina eny anivon’ny biraon’ny zandary Talatamaty.
Nirefodrefotra ny basy ho an’ny tetsy Ambohijanahary, io alina io ihany. Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray teny an-toerana. Niditra an-keriny tao an-trano izy ireo ary nanapoaka basy avy hatrany. Nitaky ny vola rehetra tao amin’ny tompon-trano ary lasa nitsoaka vantany vao nahazo izay nilainy ireo mpandroba.
Naheno ny feom-basy nipoaka ireo andrimasom-pokonolona nivezivezy sy nanara-maso ny tsy fandriampahalemana teny an-toerana. Nirohotra nanenjika ireo olon-dratsy izy ireo saingy nanapoaka basy ireto farany. Efa nampandrenesina ny avy amin’ny zandary avy eny Ambohibao.
Mino




