Nandritra ny fidinana an-dalambe: 24 ireo mpandroba voasambotry ny polisy, nisy naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora sy eny Tsiafahy ny 20 amin’ireo mpandroba tratra ireo. Nahazo fahafahana madiodio ny iray hafa. Hiakatra fampanoavana anio kosa ny telo ambiny.

Nahatratra 24 ireo mpandroba vaosambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny Brigade anti-pillage, ao amin’ny Commissariat central Tsaralalàna. Nanomboka ny 25 hatramin’ny 27 septambra lasa teo, nanditra ny hetsika sy fidinana an-dalambe nisy teto Antananarivo. Tratra ambodiomby nanantanteraka fandrobana tamin’ny toerana maro izy rehetra ireo, raha ny tatitra voaray, omaly.

Olona telo tratra nandroba teny amin’ny tranombarotra China Mall, teny Ankazoman­ga, ny alin’ny alakamisy 25 septambra 2025 lasa teo. Hiakatra fampanoavana etsy anivon’ny fitsarana, anio, izy ireo. Olona efatra hafa tratra ambodiomby nangalatra sy nandroba tao amin’ny tranombarotra Supermaki Ambohipo, ny zoma 26 septambra 2025. Taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana, naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, izy ireo. Ankoatra izay, olona roa hafa tratra nandroba teny amin’ny Supermaki Amba­nidia, io andro io ihany, ary efa nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ihany koa. Etsy ankilany, olona efatra tratra nandroba teny Anka­dim­bahoaka. Nafela eny amin’ny fonjan’Antanimora ny telo tamin’izy ireo, ny 30 septambra lasa teo. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny iray hafa. Olona 11 hafa ihany koa tratra nandroba tao amin’ny tranombarotra Habibo sy Aigle d’Or teny Tanjombato. Nai­ditra vonjimaika eny Tsiafahy izy rehetra ireo, omaly, rehefa avy niakatra fampanoavana.
Natsangana tamin’ny 25 septambra teo
Manoloana ny savorovoro sy fanararaotana isan-karazany ataon’ny olon-dratsy. Natsangana ny alin’ny 25 septambra 2025 ny Brigade anti-pillage ao amin’ny Commissa­riat central Tsaralalàna. Von­drona polisy manao vonjy taitra izy io. Misahana sy miady amin’ny fandrobana sy fanakorontanana ivelan’ny fihetsiketsehan’ny mpitolona. Ani­san’ny nandrava ny fandrobana ny tranombarotra China Mall, ny alin’ny 25 septambra, ny teo amin’ny Mada Hotel 67ha, ny tao amin’ny Habibo Tanjombato, ny Basan Tanj­ombato ary ny Atom Fasan’ny karàna ito vondron-kery ito.

Mino

Partager sur: