Vono olona mahatsiravina: Vehivavy mpihira hita faty tany anaty kirihitra

Hita faty tany anaty kirihatr’ala, tao amin’ny fokontany Beryl, Mananara Avaratra, omaly maraina, ny vehivavy iray mpihira teo aloha, tao anatin’ny tarika Willis. Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana izy io, raha ny fizahan’ny mpitsabo sy ny manampahefana. Potipotika ny fahitana ny razana, tsy nisy tanana sy tongotra ary mbola noloarana ihany koa ny tao anaty kibony ary nesorina ny nonony. Mpianatra handeha maraina no nahita ny faty ka nampandre ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny polisy sy ny zandary, niaraka tamin’ny mpitsabo, vantany vao nandre ny antso. Tombanana ho vono olona niniana natao ity tranga ity. Novoinoina tany an-kafa izy ary natsipy sy nariana teo amin’io toerana io. Taorian’ny fanadihadiana, nentina eny anivon’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Mananara Avaratra ny razana. Efa nanaovana fampandrenesana ny fianakavian’ny maty. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io vehivavy io, raha ny fanazavana voaray. Efa mikaroka ny nahavanon-doza ireo manampahefana any an-toerana.

Mino

Partager sur: