Fidinana an-dalambe : Nihamafy ny fifandonana, olona fito voasambotra

Henjakenjana ny fifanjevoana teo amin’ny mpidina an-dalambe sy ny mpitandro filaminana, omaly. Olona fito voasambotra, efatra naratra ka mpanao gazety ny iray. Ity farany izay voatoraky ny mpitokona tamin’ny balam-pilesy.

Nitohy hatrany ny fidi­nana an-dalambe na­taon’ny tanora avy amin’ ny Gen Z teto an-drenivohitra, omaly. Hita teny an-toerana koa ny avy amin’ny sendikà sy vondrona na fikambanana samihafa. Nihamafy ny fifanjevona teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Hentitra ta­min’ny fandravana, tamin’ny alalan’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, ny mpitandro filaminana, anda­niny. Tsy nihemotra ny mpitolona, ankilany. Nanao sakan-dalana, doro kodiarana, tora-bato ary nisy aza ny nitifitra tamin’ny flesy. Vokany, fito ny olona voasambotra, efatra no hita tetsy Anosy, iray nosamborina tetsy Rasalama, roa teny Ankadifotsy sy Besarety.

Efatra naratra

Raha ny hita maso nandritra ny fidinana teny ifotony, mitotaly efatra ny olona naratra. Tsy tafiditra anatin’ireo ny tamin’ny toerana tsy voarakotry ny ekipa, ny hopitaly rahateo tsy mamoaka antontanisa. Roa naratra tetsy Ankadifotsy, lehilahy iray torana rehefa voasambotra tetsy Anosy. Zazakely iray sempotry ny entona mandatsa-dranomaso teny Besarety. Nirefotra teo akaikin’ny trano fonenan’izy ireo ny entona, izay no nahavoa azy io. Efa nentina nihazo ny hopitaly izy. Ankoatra izay, mpanao gazety iray naratra teo amin’ny tongony vokatry ny tifitra flesy nataon’ny mpitolona tetsy Anosy, omaly.

Tsy tafiditra an’Ambohijatovo

Toy ny mahazatra, niza­raza ny toerana nisy ireo mpanao fihetsiketsehana. Toerana iray nihaonan’ireo tanora sy ny sendikà avy amin’ny mpiasam-panjakana ny tetsy Anta­nimbarinandriana. Nisy an­diany iray koa tetsy Anosy, An­­kadifotsy, Besarety, Rasalama, Antaninandro, Anosibe. Tsy tafiditra ny Kianjan’Ambohija­tovo hatrany izy ireo. Mbola hitohy androany ny hetsika, izay anaovana ny fitokonana faobe manerana ny Nosy, raha ny fanambaran’izy ireo.

Mino

Partager sur: