Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Mitohy ny fifanjevoana amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana. Vokany, olona telo naratra tamin’ny sabotsy.
Nanohy ny fidinana an-dalambe ny tanora avy amin’ny Gen Z teto an-drenivohitra, afakomaly. Mihamafy hatrany ny fifandonana teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana. Hentitra tamin’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso, ireto farany. Tsy nihemotra koa ny mpanao fihetsiketsehana niditra teny Anosy. Nikasa hiditra ny kianjan’Ambohijatovo izy ireo. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ izy ireo sy ny lehiben’ny zandary nanao ny sakana. Naharitra minitra maro izany, nasaina nihemotra ny mpidina an-dalambe. Nangataka ny hiditra ny kianjan’Ambohijatovo anefa ny tanora. Tsy nety niala izy ireo. Setrin’izany nanapoaka ny entona mandatsan-dranomaso ny zandary.
Niafina tao amin’ny hopitaly
Manoloana izany, nanao tora-bato sy namerina ny entona mandatsan-dranomaso tany amin’ireo mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy naharitra ela fa rava, samy nitsoaka namonjy ny ainy avokoa ny rehetra. Nisy ny nandositra tany amin’ny hopitaly Befelatanana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fandravana ny andiana mpanao fihetsiketsehana teny Anosibe, teo akaikin’ny SoliMotel, hatramin’ny sabotsy hariva tamin’ny 5 ora. Olona telo naratra raha ny hita maso nandritra ny fidinana teny ifotony. Vehivavy iray naratra teo amin’ny lohany, vokatry ny fitifirana entona mandatsa-dranomaso. Vehivavy iray hafa torana, tsy nahatsiaro tena. Lehilahy iray naratra teo aminn’ny tongony. Tsy nahazoana antontanisa kosa ny teo anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, mahakasika izay olona naratra tsaboina eny an-toerana. Marihina fa nisy lehilahy roa voasambotra afakomaly. Nahatrarana flesy miisa 10 sy balam-pilesy vita amin’ny vy, miisa 50 tany amin’izy ireo. Hitohy androany ny hetsika.
Mino




