Ambohidrapeto : Telo lahy mpandroba taxi-moto voasambotra

Tratra teny Ambohidrapeto niaraka tamin’ny saron-tava sy moto fampiasany manao asa ratsy ny telo lahy mpandroba taxi-moto, afakomaly. Norebireben’ny telo lahy ny mpanao taxi moto iray ka nanaiky hitondra olona hihazo an’Ambo­hidrapeto. Mitetina 15 000 Ar no nofanarahan’izy ireo ho saran-dalana. Nanaraka tamin’ny moto hafa ireo roa lahy naman’ilay nentina tamin’ny taxi-moto. Nigadona tamin’ny toerana voatondro, nilan’izy telo lahy vaniny ilay mpanao taxi-moto ary mody tsy nanaiky ny fifanarahana tamin’ny saran-dalana izy ireo. Mailo ny mpanao taxi-moto ary nifanojo
tamin’ny fisian’ny zandary nanao fisafoana io tranga io. Nandositra avy hatrany ireo roa lahy. Voasambotra ny namany sy moto nentin’ity farany, ny 19 jona. Nosavain’ny zandary ka nahitana saron-tava niampy rano mahery fofona “Big boss vita malagasy” fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsy. Nokarohina ny namany ka tratra ny roa lahy izay mpiara-manao halatra moto. Manana mpanome taratasy hosoka hamarotana ny moto izy telo lahy ireo. Mitohy ny fanadiha­diana hisamborana ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: