Ambodiafontsy : Raim-pianakaviana iray maty navadiky ny fiara

Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy amin’ny lalam-pirenena voalohany, ny raim-pianakaviana iray afakomaly alina tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Nitranga teo amin’ ny PK 10 + 100 digue Ambo­dia­fontsy, kaominina Ampita­tafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny loza. Fiara 206, marika Peugeot, avy any Fenoarivo hihazo an’Antana­narivo io niharan-doza io. Noen­tina raim-pianakaviana iray 36 taona, izay niaraka tamin’ny zanany lahy kely, vao efa-taona monja. Raha ny fantatra, nandeha mafy ny fiara ka tafa­voaka ny arabe. Nivadiba­dika ary tafapetraka teny afovoan’ny tanimbary avy eo. Vokany, naratra mafy vokatry ny loza nahazo azy ny raim-pianakaviana, 36 taona, namily ny fiara. Raha toa ka tsy naratra kosa ilay zazalahy kely niaraka ta­miny tao anaty fiara. Noentina haingana teny
amin’ny hopi­taly CHU-JRA Ampefiloha izy mianaka saingy tsy tana ny ain’ilay raim-pianakaviana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy moa ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Faliarivo.

Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana sy miteraka famoizan’aina ny fan­dehanana mafy. Manentana hatrany ireo mpamily, ny mpitandro filaminana, mba hanaja ny hafaingam-pandeha eny amin’ny lalana. Hamafisina ihany koa ny fitandremana
ho an’ny rehetra, mba hisoro­hana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: