Tsy nampoizina izao toe-draharaham-pirenena izao? Na efa nahiana be ihany… Tsy maintsy atrehina ny olana fa tsy azo odian-tsy hita. Amin’izany, ny rariny itompoana, mody ho heloka; ny heloka ibabohana, mody ho rariny. Mby amin’ny hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana? Na izany aza, politika ny raharaha. Tsy ilaozan’izay paipaika sy kajikajy politika hatrany ny sasany. Misy aza ny mbola tsy inon-tsy inona eo dia minia mandainga fotsiny izao, manao amboletra, misetrasetra, mitompo teny fantatra, miandry kendry tohina… Ao ny tonga amin’ny fanaovana di-doha, be hambompo… Inona no ho rariny na rirany ho hita amin’ny famahana olana amin’izany? Nefa fitarazohan’ny raharaha no mampitombo sy mampihombo ny fahavoazana.
Tsy izay mampiombona ve no tokony hotrandrahina sy hovelarina fa tsy izay mampisaraka sy mampiady? Eo ny tanindrazana iaraha-manana, ny vahoaka iaraha-miaina, ny hoavy iaraha-mitsinjo dieny izao… Hanao ahoana? Eo izao… Amin’izany, samy miteny hoe tsy misy tombontsoa korontana. Nefa misy ny minia manakorontana hatrany, na ankolaka na mivantana. Tsy misy inona hita sy vita amin’ny korontana, fa ny filaminana sy ny fitoniana no ahazoan-kevitra. Ny fo rano mafana? Fa izay lava dinika, lava rariny. Farany omby, hena; faran’ny teny, ifanatrehana. Dia lazaina izay atao, atao izay lazaina. Mila fahendrena sy fahaiza-miaina? Miandry sy miandrandra zavatra ny vahoaka. Inona? Filaminana, fiainana ao anaty fitoniana, fahazoana antoka ny hoavy…
Tsy midika ho faharesena ny fanginana. Indrindra ny fihainoana sy fiheverana ny hafa… Ny lany hevitra no tsy mety hiresaka? Na mitompo teny fantatra, manamarin-tena… Tsy aleo ny vahoaka ho mpandresy no hitsara? Fa izay lava dinika, lava rariny…
R. Nd.




