Tsy ilay Malagasy fatra-panaja ny maha izy azy intsony no miaina amin’izao vanim-potoana izao? Nomontsanin’ izy ireo ilay fanarahana ny fomba amam-panao mifototra amin’ny lamina voajanahary. Rehefa mety ho manan-kasina rehetra eto amin’ity Nosy ity (fomba amam-panao, toerana, olona, zavatra…), very, takona… Tafiditra tao anatin’ izany ny fanabeazana maha olona.
Ny vehivavy (reny) no niantsoroka be indrindra ny fanabeazana teo amin’ny Malagasy. Natao izay handaozany io adidy mampanjary hasina ny taranany io. Nampahantraina ny isan’ankohonana mba hoenti-mandresy lahatra fa : «tsy vitan’ny lehilahy irery intsony ny mamelona ny ankohonany fa mila mifarimbona ny lahy sy ny vavy». Nokitihiny nanaraka izany koa ny zo. «Tokony hitovy zo ny lahy sy ny vavy», «Vitan’ny lehilahy ve dia tsy ho vitanareo vehivavy»…
Tsy ninono tamin-dreniny intsony ny taranaka malagasy fa ninono «fingotra». Fomba manala hasina maha olombelona faran’izay haingana sy matanjaka. Very ilay fifankahalalana sy fifamatorana eo amin’ny reny sy ny zanaka. Tsy manam-potoana handraisana an-tanana (mitrotro) ilay menaky ny ainy, intsony, ilay reny niteraka. Zava-dehibe ho fampanjariana ny hasina eo amin’ny fotoam-pahazazana anefa iny.
Nitombo ny fanalan-jaza sy ny fanarian-jaza… Hasina maha olona mihitsy no very sy potika. Nanjary maty ny feon’ ny fieritreretinan’ny vehivavy na ny reny sasany, satria, tsy ao aminy intsony ilay hasina.
HaRy Razafindrakoto




