Nifarana tamin’ny tora-bato nataon’ny mpitokona sy fanapariahana baomba mandatsa-dranomaso ny hetsika nataon’ny Gen Z, omaly. Olona efatra naratra ka mpanao gazety ny iray.
Ravan’ny zandary hatrany ny hetsika nataon’ireo mpitokona Gen Z notarihin’ireo solombavambahoaka sasantsasany, mpanohitra fitondrana sy mpanolotsaina eo anivon’ny CUA, ho an’ny omaly. Niainga teny Besarety, Anosy, Ambanidia ireo mpitokona. Nikasa hanao diabe hihazo an’Ambohijatovo sy ny Kianjan’ny 13 mey izy ireo saingy tsy nahitam-bokany izany. Niatrana teny an-kianja vao maraina ny mpitandro filaminana, nahitana ny polisy, zandary ary ny tafika. Nandrindra ny fifamoivoizana hivezivezen’ny mponina izy ireo ary niezaka nanaparitaka ireo mitangorona. Tetsy ankilany, naneho ny fahavononany hatrany ny mpitari-tolona. Anisan’izany i Alban Rakotoarisoa na i Babà izay nilaza fa tsy hihemotra amin’ny tolona izy ireo. Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso teny Ankazotokana tamin’ny 11 ora sy 40 minitra. Nanaparitaka ireo nikasa hanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana. Nisitrika teny anivon’ny elakela-trano ireo tanora maherifon’ny firenena. Noravain’ny zandary koa ny vondron’olona nitangorona teny Anosy sy Mahamasina, ny tolakandro. Nirefodrefotra ny lakrimozenina ka nisy ireo naratra. Olona miisa telo naratra ka noraisin’ireo mpitsabo tsara sitrapo izay niatrana teny an-kianja nanaraka ireo mpanao fihetsiketsehana. Mpanao gazety iray koa lasibatry ny fipoahan’ny baomba lakrimozenina.
Nitora-bato
Nikisaka moramora teny Anosibe ny ankamaroan’ireo mpanao fitokonana taorian’ireo tranga ireo. Nitora-bato ny mpitandro filaminana nanaparitaka azy ireo andian-jatovo. Nifamaly ny tifitra lakrimozenina sy ny tora-bato saingy tsy naharesy tosika ny zandary sy ny polisy nanao ny asany ireo mpanao fihetsiketsehana. Na izany aza, mitohy ny tolona ho azy ireo. Nanamafy ny solontenan’izy ireo fa tsy hitsahatra ny fitakiana raha toa ka tsy tratra ny tanjona. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha manoloana ity hetsiky ny Gen Z ity. Marihina, velon-taraina ireo mpivarotra sy mpiasa ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra eto an-dRenivohitra. “Miteraka fanelingelenana amin’ny andavanandrom-piainana ny fisian’ny hetsika ifandonan’ny mpitandro filaminana sy ireo Gen Z matetika”, hoy ny raim-pianakaviana iray monina etsy Ankadifotsy.
Tsiferana R.




