Halatra omby : Dahalo 3 voasambotra

Tratra afakomaly ny telo tamin’ireo dahalo nanafika niharo vono olona 12 tany Ampamata, distrikan’Antanimora Sud, ny alatsinainy 29 septambra lasa teo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana, ahenoana fa mpanao politika no ao ambadiky ny halatra. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana ireo dahalo voasambotra ireo. Mbola karohina kosa ny ambiny.
Raha tsiahivina, notafihan’ny dahalo manodidina ny 20 isa ny tanànan’i Sorony, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampamata, distrikan’Antanimora Sud, ny alatsinainy 29 septambra lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny omby manodidina ny 100 mahery. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona tany an-toerana. Tratra tany amin’ny toerana 4 km miala ny tanàna ireto dahalo ireto ary raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, olona 12 niara-maty, izay nahitana zandary telo sy sivily sivy. Olona folo hafa naratra, izay nahitana zandary iray. Voalaza fa tsy ampy isa ny zandary sy ny polisy miasa any an-toerana, nefa manjaka ny tsy fandriampahalemana, raha ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: