Miantraika mivantana any amin’ny fanjifana ny krizy misy eto amin’ny firenena. Voalohany amin’izany ny varotra solika, na dia latsaka ambany aza ny vidiny.
Vitsy ny mpividy solika, satria mihena ny fivezivezena amin’izao toe-draharaha misy eto amintsika izao. Ho an’ny toby mpaninjara solika etsy Antanimena, notsorin’ny mpitantana, fa midina hatrany amin’ny 70% mihitsy ny varotra solika. Ho an’ny lasantsy SP 95, zara raha mahalafo 400 litatra isan’andro sisa izy ireo, raha 2 000 l/andro amin’ny andro mahazatra. Vao mainka ratsy noho izany ny gazoala, nihena hatrany amin’ny 80% mihitsy satria tsy mahalafo afa-tsy 1 000 l/andro sisa raha 3 000 l/andro amin’ny fotoana mahazatra. Ny gazoala anefa no tena be mpanjifa, satria ampiasain’ny fiara mpitatitra olona sy entana.
Nambaran’ity mpitantana toby ity fa mihena koa ny ora ahahafan’izy ireo misokatra, ankoatra ny fahavitsian’ny mpanjifa. Manodidina ny 7 ora ihany no mivarotra, mivoha amin’ny 5 ora maraina, ary voatery mikatona amin’ny 11 ora, na amin’ny 12 ora. « Toerana akaiky ny eny Analakely ny ety Antanimena, ka tsy maintsy mikatona foana raha vao raikitra ny korontana », hoy izy.

Nisondrotra ny gazoala sy solitany
Ny alahady 5 oktobra teo, vao niova ny vidin-tsolika eto amintsika, ho an’ny volana oktobra, toy ny isam-bolana. Nihena 30 Ar/l ny lasantsy SP 95, nidina ho 5 060 Ar/l, raha 5 090 Ar tamin’ny volana septambra. Nitombo 170 Ar kosa ny gazoala (GZ), lasa 4 700 Ar/l raha 4 530 Ar teo aloha. Nisy fitomboany 90 Ar/l ihany koa ny solika fandrehitra (PL), lasa 3 470 Ar/l raha namidy 3 380 Ar teo aloha.
Manaraka avy hatrany, arakaraka ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (Mécanisme d’ajustement automatique) io fiovaovana io. Tsy mahazo mihoatra na latsaky ny 200 Ar/l anefa ny fanovana, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), fepetra hampiharana ny tena vidin-tsolika. Fepetra tafiditra ao anatin’ny fahazoana ny Fampindramam-bola nohamoraina sady nitarina (Fec) sy ny Famatasiam-bola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro maharitra (FRD).
Faharoa mora indrindra ny gazoala
Na firenena manafatra solika any ivelany aza i Madagasikara, fantatra fa tafiditra ao anatin’ireo firenena mamokatra solika aty Afrika. Raha ny antontanisa nivoaka ny volana aogositra 2025, faharoa, mora indrindra ny gazoala ny teto Madagasikara, satria, mihoatra kely ny 1 dolara (4500 Ar) ny vidin’ny iray litatra. Voalohany, mora indrindra, latsaky ny 1 dolara ny Nosy Maldives, ary fahatelo ny any Gabon (firenena mpamokatra), mihoatra kely ny 1 dolara ihany koa.
Ho an’ny lasantsy SP 95, fahadimy mora indrindra, 1,2 dolara ny litatra, ny eto Madagasikara, ny aogositra 2025. Voalohany ihany ny any Maldives, faharoa ny RD Congo, fahatelo i Gabon. Fahenina aorinantsika kosa ny atsy Afrika Atsimo.
Fanafarana solika ny 27%
Solika avokoa ny 27% amin’ny fanafaran’i Madagasikara entana avy any ivelany. Anafaran’i Madagasikara solika any ivelany ny orinasa any Oman, OQ Trading. Tapitra tamin’ny volana mey 2025 teo ny fifanarahana taminy, saingy nohalavaina herintaona indray, hatramin’ny mey 2026. Voarakitra ao anatin’izany ny hamatsian’ny OQ Trading, 829 057 taonina (tonnes métriques) solika an’i Madagasikara mandritra ireo fe-potoana ireo.
Araka ny tatitry ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), manodidina ny 1 229 526 m3 ny solika nolanian’i Madagasikara, tamin’ny taona 2024. Azo heverina fa mety hihena io fandaniana io amin’ity taona 2025 ity, noho izao krizy mipoitra izao.
Nanantontosa: Njaka Andriantefiarinesy




