Nahazo Praiminisitra iny Ramalagasy. Nanamarika voalohany ny fiakarany kianja ny fanilihana mpanao gazety. Tsy mbola niherina akory ny andro amin’ny filazan’ny Filohan’ny Repoblika ny hisokafan’ny loharanom-baovao, ny mifanohitra amin’izany no nataon’i Mahazoarivo. Voatosi-bohon-tanana ny mpitrandraka vaovao, izay fanoitra ho amin’ny fahombiazana na tsia ny irak’ity ramiamila iray ity. Tsy anaram-boninahitra akory ilay maha lehiben’ny governemanta fa ady masina ho an’ny vahoaka sy ny taninjanaka.
Tsy mahagaga mihitsy aloha, hatreto, ny mbola fisian’ny fiziriziriana eny an-kianja. Mbola mifampitoratoraka sy mifampitifitifitra izay azo ampiasaina ny mpitandro filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana. Rehefa ilay fahafahana tokoa anie no sakantsakanana dia mampitroatra. Mahasorena, tena mampiaka-peo ary mampiteny ny tsy fiteny amin’ny fomba rehetra. Ny fitiavana misakobokobona ity no tena mahavoa ny mpitondra hatrizay teto Madagasikara.
Ny vy tsa mikitrana irery, hoy ny oha-pitenena. Tia mifandrangidrangitra sy mifamely am-pitaka loatra ilay firahamonina, ankehitriny. Tia mifandrefy hery tsy amin’ny antony. Mahazo fafinaretana amin’ny fifandrangitana ny tsirairay. Mitady fomba hamelezana ny hafa na olona tsy hanana olana aza. Tia mifanosika any an-kady, koa tsy mahagaga raha samy mitrosona amin’ny tany. Tsy lasa hery ho fampandrosoana ny fahasamihafana. Tsy lasa antoka hirosoana ny hasina maha olona. Ataon’ny fitiavan-tena samy mandraingiraingy.
Tokana anefa ny andrasan’ilay firenena amin’ny vahoaka. Miara-mirona sy miara-milofo. Miara-miketrika ny hahasoa ilay firenena. Mifanolo-tanana amin’ny fikatsaham-bahaolana satria ny vy io tsy mikitrana irery fa samy tompon’andraikitra avokoa ny olom-pirenena rehetra.
Koa samia mandinika.
r.r




