Tapa-tongotra ny renim-pianakaviana iray ary naratra mafy ny lehilahy nitondra kodiaran-droa tra-doza teny Ankazomanga-Andraharo, ny alin’ny alatsinainy 6 septambra teo, tamin’ny 10 ora. Kamiao lehibe an’ny orinasa tsy miankina iray nifandona tampoka tamin’ilay moto. Nikasa hihazo ny lalana mampitohy an’Andraharo sy Ambohimanarina ireto farany raha toa ka niditra amin’ny vavahadin’ilay orinasa teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay fiarabe. Nidona mafy tamin’ny vatan’ny fiara ny moto nentin’ilay lehilahy ka nipitika izy sy ny vehivavy nentiny. Tapaka tanteraka ny tongotr’ity farany. Tsy nahatsiaro tena ary very ra io vehivavy io ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Nahatsiaro tena ary afaka niresaka tamin’ireo olona nanavotra azy ilay lehilahy namily ny moto. Potika tanteraka ny moto nentin’izy ireo. Nifanome tanana nanampy ireo olona roa voa mafy ny tsara sitrapo nanavotra azy ireo. Marihina, matetika itrangana lozam-pifamoivoizana tsy lavitra ny toerana nahavoa ireo olona roa nitaingina moto ireo. Ilaina ny fahamailoan’ny mpampiasa arabe indrindra amin’ny alina.
Tsiferana R.




