Niatrana teny Analamahitsy ambony, anatin’ny boriborintany fahadimy, ny sampana mpamonjy voina, taorian’ ny firehetana trano tao amin’ ny tanàna iray teny an-toerana, omaly atoandro. Nanomboka niaka-tsetroka io trano io ary nikoropaka ireo mponina manodidina. “Nahitana firehetana ity trano ity nanomboka tamin’ny 11 ora sy 40 minitra teo ho eo”, hoy ny fanazan’ny solotenan’ny nanatri-maso. Nahare fipoahana intelo izy ireo saingy tsy nisy nahalala ny zava-nitranga nahatonga ny fahamaizana. Niantso avy hatrany ny sampana mpamonjy voina ny tsara sitrapo. “Nanetsika avy hatrany ny ekipany ny ao amin’ny toby Analamahitsy ka fito minitra monja taorian’ny antso dia nigadona teny an-toerana izy ireo”, hoy ny lehiben’ny sampana Mpamonjy voina Antananarivo Renivohitra, ny kaomandà Eric Ralaivaonoro. Nanampy fiara lehibe roa avy ao amin’ny Toby Tsaralalàna izy ireo. “Trano lehibe misy rihana no lasibatra. May ny efitrano farany ambany ka nofehezina ny afo nandritra ny ora iray sy sasany”, hoy izy. Nananosarotra ny fifehezana ny afo satria tokana ny fidirana nahafahana niditra tao amin’ny toerana nisian’ny afo. Nanao izay ho afany ny ekipan’ireto farany. Tsy nisy aina nafoy na ihany koa naratra nandritra ny tranga. Potika avokoa ireo entana tao amin’ ny efitra lasibatra. “Karazana fitoeran’entana na dépôt io may io”, araka ny fanamafisan’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina. Nigadona teny an-toerana rahateo ny mpitandro filaminana nandrindra ny fifamoivoizana sy nandray an-tanana ny fanadihadiana momba ity tranga ity.
Tsiferana R.




