Ny zon’olombelona no fototra tokony hananganana ny fandriampahalemana. Manodidina izany indrindra ny lohahevitra tiana hasongadina amin’ilay fifaninanana ara-javakanto ho an’ireo tanora 18 hatramin’ny 30 taona. Tafiditra anatin’ny tetikasa « Rary Aro Mada » izy ity. Mety avokoa na asa soratra na « podcast » na kanto hafa maneho ny lohahevitra no halefan’ireo tanora hifaninana. « Mihetsika izao ho an’ny fandriahampahalemana: tanora miady ho an’ny zon’olombelona » ny lohahevitra amin’izany. Rehefa tsy mivaona amin’izay ny sanganasa dia afaka alefa mifaninanana avokoa. Manana hatramin’ny 31 oktobra ho avy izao izay liana handefa ny sanganasany. Asaina hitsidika ny pejin’ny Rary Ato Mada izy ireo, maka ny andinindininy sy ny fepetra rehetra takin’ny fifaninanana.
Tsiahivina fa manana tanjona ny hahatongavan’ny tanora rehetra ho mpivoy ny fandriampahalemana sy ho mpiaro ny zon’olombelona ny tetikasa. Omena sehatra kokoa ireo manan-talenta haneho ny mampiavaka azy ao anatin’ny lohahevitra. Ny famoronana mihitsy no hasongadina, satria mety ho lalana iray hahatongavan’ireo mpandray anjara any amin’ny laza io, amin’ny seha-kanto hataony. Tohanan’ny Unesco, Unicef, PBF, OHCHR ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny tetikasa.
Zo ny Aina




