TARATRY ny KANTO

Niverina an-tsehatra i Hantatiana. Hafaliana ny an’ireo mpankafy azy, satria dia nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny FPM Vatofehizoro tany Paris izy, ny faran’ny herinandro teo. Niray sehatra tamin’ny Kerobima Ankatso Monde, God’Swing ary Mandresy izy, nandritra izany. Porofo io fa mandroso fahasalamana i Hantatiana, na dia mbola sahirankirana aza noho izay vanim-potoana lava nolalovany nandresena ny aretiny izay. Mijoro hatrany amin’ny maha mpihira ara-pilazantsara azy izy.
Hiverina ny seho etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Ny tarika Bigfoot aloha no hisantatra izany, ny alakamisy 9 otkobra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Ny antony, mbola mitoetra ny «couvre feu», ka voafetra ihany ny fotoana ahafahana miala voly. Ta­rika iray ivondronana vahiny mpanakanto sy malagasy, toa an’i Rolf, izy ity. Malalaka toy izany koa ny hira alahatra, mandalo ny jazz, rock, blues, rap hatrany amin’ny slam. Misy hafatra ampitaina ihany koa anatin’ny mozikan’ny Bigfoot.
Hatreto, raikitra ilay adin-kiragasy lehibe hotontosaina ny alahady 19 oktobra izao, eny amin’ny Kianja basket Saint Antoine Andravoahangy. Hifanandrinan’ny tropy Rasamoelson Andohavary sy ry Rapaulson Mandiavato izany. Samy kalaza amin’ny hiragasy ireto nosafidian’ny fikambanan’ny Betsileo Antananarivo mifanohana sy mifanampy ireto, hatao ho fitadiavam-bolan’ny fikambanana. Ity ihany aloha no adin-kiragasy eto Antananarivo mbola tsy nofoananana na nahemotra.

Partager sur: