Mampiahiahy : Lehilahy hita faty teo amin’ny seranan-tsambo

Raim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona hitan’ny mpiasan’ny seranan-tsambo hamonjy asa vao maraina, ny talata faha-7 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy 30 mn, nitsirara mifanakaiky amin’ny tobin-tsolika iray ao Ampasimazava – Toamasina. Nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety teny an-toerana, raha nanontany ireo rehetra nanatri-maso, mpivarotra sakafo masaka, mpiasan’ny mpaninjara solika, fokonolona manodidina dia tsy nisy sahy nilaza ny antony mety nahatonga ny fahafatesana fa kosa samy milaza tombantombana avokoa.” Tsy fantatray ilay olona ary tsy fantatray izay nahafaty azy, fa efa izahay miasa sy mivarotra maraina eto no mahita faty mitsirara eto akaiky fivarotanay ka nosaromanay an’ io labasy io », hoy ny olona. Mbola tsy tonga nijery ifotony sy nanao fizahana an’ity fatin’olona ity ny mpitsabo avy ao amin’ny BMH izay tomponandraikitra voalohany amin’ny faty ivelan’ny hopitaly. Ankilany tombanan’ny rehetra fa mety olona novonoina tany ho any io no napetraka teo, tao ny nilaza fa mety matin’ny hanoanana na aretina mirongatra tampoka. Tsy nisy taratasy ahafantarana azy rahateo teny aminy ka mbola tsy fantatra izay fianakaviany

Sajo

Partager sur: