Nampiakarin’ny fokonolona tetsy Anosizato, omaly tao anaty rano ny fatin-dehilahy iray. Sady tsy nisy ratra no tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy.
Tranga mampalahelo. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny fokontany Ankazotoho Anosizato, omaly atoandro. Tokony ho tamin’ny 02 ora teo, nahazo antso mahakasika ity tranga ity ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Minitra vitsy taorian’ izay, nanainga nijery ny zava-misy izy ireo. Efa tafavoakan’ ny fokonolona teny an-toerana, ilay vata-mangatsiaka tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpamonjy voina. Teo no ho eo, nisokatra ny fanadihadiana. Tsy nisy taratasy namantarana azy teny amin’ ny maty. Mbola teny an-kodiny koa ny akanjony rehetra.
“Tsy nisy ratra na mangana ilay razana ary tsy nisy nahalala azy ny mponina teny an-toerana”, hoy ny fanazavan’ ny mpamonjy voina. Nambarany efa maty ho roa andro tany ho any izy, vao natsingevan’ny rano. Taorian’izay, noraisin’ny komitim-pokontany an-tanana ny fikarakarana ilay nofo mangatsiaka. Ankoatra izay, ramatoa iray 55 taona koa hita faty tsy lavitry ny biraon’ny Antenimieran-doholona, afakomaly. Tsy nisy ratra na mangana ny vatany. Tsy nanana taratasy namantarana azy koa izy. Fantatra kosa tamin’ny fanadihadiana fa matin’ny aretina ity ramatoa ity.
Voadonan’ny fiara
Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Anosibe, omaly tolakandro. Tra-doza tamin’izany ny ankizivavikely iray sahabo ho valo taona teo. “Nandeha irery niampita arabe izy ka nofaohin’ny fiara teny an-toerana”, hoy ny loharanom-baovao iray. Nandriaka ny ra. Vaky tanteraka ny lohan’ilay zazavavikely. Mbola noentina vonjimaika tetsy amin’ny sampana vonjy ainan’ny HJRA Ampefiloha izy. Indrisy fa tsy tana intsony ny ainy na dia nanao ny ezaka rehetra aza ireo mpitsabo nandray azy. Tokony ho tamin’ny 04 ora teo, tonga tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny vata-mangatsiakany. Etsy ankilany, voasambotra sy atao famotorana ilay mpamily voalaza ho nahavanon-doza.
Henintsoa Hani