Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray namaky “karaoké” tao Analakapaina, fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, Kaominina Antsahalava, Distrikan’Antanifotsy, ny 25 janoary teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy jiolahy
sady mpamatsy ody gasy ny namany nanao fanafihana tao amin’io fokontany io. Raikitra ny velam-pandrika. Tra-tehaka tokoa ny entana halatra maromaro toy ny “clavier”, micro miisa telo niampy vata marobokotra.
Entana very tao amina trano fisotroana iray tao anatin’ny kaominina ireto tra-tehaka ireto. Tsy vitan’io, nahitana ody gasy koa tao amin’ity mpamaky trano ity. Niroso tamin’ny fisamborana azy ny zandary. Naverina amin’ny tompony kosa ny entana tratra. Mitohy ny fikarohana ireo naman’ny nahavanon-doza.
Tsiferana R