Ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fijerena ny sosialim-bahoaka amin’ity taona ity. Tsy maintsy vitaina kosa anefa ny foto-drafitra efa natomboka. Ireo tetikasa vaovao no haato.
Mahatsapa ny filan’ny vahoaka malagasy sy ny asa tokony ho vaindohan-draharaha mifanaraka amin’izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Nitarika ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023, tany Ilaka Est, distrikan’i Vatomandry, izy ny asabotsy lasa teo. Nandritra izay no nilazany fa ho laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny olombelona sy ny lafiny sosialim-bahoaka. hanampy ny vahoaka sy ny sokajin’olona rehetra ny fanjakana : ny vehivavy, ny tanora, ny tantsaha. Raha fehezina, hiompana kokoa amin’ny fanampiana ny vahoaka izany, araka ny nambarany.
Nohamafisiny fa efa niezaka ny fitondrana tamin’ny fampanantonana ny vahoaka ny fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa. “Sahy milaza aho fa nahavitabe amin’ny fotodrafitrasa raha samy fitondrana nifandimby teto isika. Vitantsika avokoa izany na mbola betsaka aza ny mbola hatao”, hoy izy. Nomeny toromarika avy hatrany ireo minisitra ny amin’ny hampiatoana ny fanorenana fotodrafitrasa vaovao aloha. Hotohizana sy hatao kosa ireo fotodrafitrasa efa natomboka, satria volam-panjakana no laniana amin’ireny ka rehefa natomboka dia tsy maintsy faranana. Midika izany fa ireo fotodrafitrasa natomboka toy ny autoroute, lalana, tetezana, pipeline, sekoly, hopitaly, toby miaramila, zandary, biraon’ny polisy, tohadrano, telephérique, fly-over, maro izay efa andalam-panamboarana sy efa nahazoana famatsiambola dia ho vitaina hatramin’ny farany.
Handroso vahaolana
Nohamafisiny fa akaiky vahoaka ny fitondram-panjakana, tsy mivadi-belirano izany ny tenany. Mifanaraka amin’izay ny hanambarany fa vahaolana ho an’ny firenena, hampahafantarin’ity herinandro ity. “Hidina ifotony isika, hitsinjo ny vahoaka any amin’ny faritra rehetra”, hoy izy.
Notsiahiviny, fa maro ny mikaikaika amin’ny haratsin’ny lalana ka hanao drafitra momba izany ny fanjakana. “Mila faharetana anefa izany”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fomba nanamboarana ny lalam-pirenena faharoa (RN2), Antananarivo-Toamasina. Tsy nanaraka ny kalitao ny hatevin’ny lalana. Nanjakan’ny kolikoly. Nanao izay danin’ny kibon’ny amin’ ny vesatry ny entana ny kamiao mpitatitra. “Mila mijery lavitra ny mpitondra ary mampahafantatra ny olana sy mitondra vahaolana”, hoy izy. Novakiany bantsilana ny momba ny volabe efa nolaniana tamin’ny lalana RN2. Olana anefa ny fanjakan’ny kolikoly ka tsy mifanaraka amin’ny kalitao, takiana ny vokatra.
Novaliany avy hatrany koa ny hetahetan’ny mpitondra any an-toerana ny hanombohana ny fanamboaran-dalana, Mahanoro – Vatomandry. Efa mandeha koa ny fanadihadiana amin’ny lalana Antsampanana, Vatomandry.
Fitiavan’ny vahoaka ny filoha
Ankoatra izany, nambarany fa anisan’ny namotika ny firenena ny mpanao politika noho ny fitiavan-tena sy ny fandravana nentin’izy ireny. Nohitsiny anefa fa ny fitiavana ny vahoaka no mbola mampijoro ny tenany. Eo koa ny fitiavan’ny olona tonga marobe, amin’ny fitsidiham-paritra ataony. “Mandeha an-tongotra lavitra, tsy misy sakafo sy rano ary tsy nokaramaina vola… Ianareo no mampijoro anay”, hoy ihany izy.
Nampanantena ny tenany fa hitsidika ireo faritra traboina, noho ny takaitran’ny rivodoza farany teo. Hanehoana ny tena namana, amin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao.
Firaisankinan’ireo mpanohana
Tsiahivina fa notronin’ny avy amin’ny mpiara-miombona antoka ara-bola sy teknika (PTF) sy ireo masoivoho vahiny izao fambolen-kazo izao
Teo koa ny firaisankina sy fiaraha-mientan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo depiote, notarihin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine. Ireo ben’ny Tanàna, nahitana an’Andriantsitohaina Naina. Nanaporofoana fa mbola eo hatrany, iray tsy mivaky ireo mpanohana ny fitondrana.
Synèse R.
Miisa 120 000 ireo zanakazo novolena amin’ny velaran-tany 100 ha tao Ilaka Est, Vatomandry. Teo koa ny nampiasana “Drone” nandatsaka ireo voana hazo zanatany milanja 280 kg, amin’ny velarana 25 ha.
“Hetsika manan-danja ho an’ny tanaraka sy ny tanindrazana izao”, hoy ny filoha.