Hala-jaza tao Ihosy : Hita faty i Saka, avotra ilay varira

Hita faty iray volana taorian’ny nitondran’ny olon-dratsy azy i Saka, zazalahy 16 taona, very tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, dis­trikan’Ihosy. Zaza roa lahy niaraka nanjavona tao amin’io tanàna io, ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanaraka an’i Saka, izay mpianatry ny CEG ny zazalahy varira iray fito taona, antsoina hoe Fabien. Nifampitarika izy roa lahy ary nisy andian’olona nampiresaka azy ireo tamin’io andro io, araka ny fanazavan’ny rain’ilay zaza varira. Norebireben’ireo olona tsy fantatra ireo izy roa lahy. “Tsena tamin’io andro io ka maro ireo olona nifamezivezy”, hoy ny fanazavan-dRa­tolojanahary Mélanie, renin’i Saka. Tsy niverina tao an-tanàna intsony ireo zaza roa lahy. Nifampitadiavan’ny fianakaviany izy ireo saingy tsy hita popoka. Niroso tamin’ny fikarohana koa ny mpitandro filaminana. Nahita ra tany amin’ny tanànan’Andiolava, manamorona ny lalam-pirenena fahafito ny mpanara-dia, ny alarobia 17 septambra. Olona miisa efatra nosamborina ary natao famotorana tamin’io fotoana io. Nahina ho niray tsikombakomba tamin’ny mpanao ratsy naka ireo zaza roa lahy izy ireo. Efatra herinandro taty aoriana, hita faty i Saka. Avotra soa aman-tsara kosa i Fabien, ilay zaza varira. Marihina fa efa nokasain’ny olon-dratsy nalaina tao amin’ny ray aman-dreniny ity farany fony izy mbola herintaona monja. “Nanohitra izahay tamin’izany ka tsy lasan’ireo tsy mataho-tody izy”, hoy ny renin’io zaza io. Miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fandriampahalemana manoloana ny hala-jaza ao amin’ny distrikan’Ihosy sy ny manodidina izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: