Tarika Rossy: Nodimandry i Meltine

« Lasa i Meltine. Misaona ny tarika Rossy…Mandria am-piadana Ra-Mely a ». Fanambaran’i Rossy tao amin’ny pejiny Facebook, halina io. Raho-mainty ho an’ny tarika sy ho an’ny fianakaviamben’ny zavakanto eto Madagasikara mihitsy ny fahalasanan’i Meltine. Iray tamin’ireo zana-dRamilison Besigara Fenoarivo izy, ary nilomano tao anatin’ny zavakanto malagasy nandritra ny fiainany iray manontolo. Taona maro lasa izay, nifandray tamin-dRamilison Besigara i Rossy, ary niaraka nitondra avo ny hiragasy manerana izao tontolo izao izy ireo. Rossy nahazo tsodrano tamin-dRamilison ka nampiasa ny sanganasany vitsivitsy no nanankinany ireo taizany tao anaty hiragasy ihany koa. Maro amin’ireo tarana-dRamilison no niara-dia sy ao anatin’ny tarika Rossy, na eto na any ivelany.
« Mbola ho avy izy e, k’aza malahelo… », hoy indrindra ny hira novelomin’ny tarika Rossy, nampisongadina ilay feon’i Meltine. Tazana teo foana nandritra izay taona maro izay mantsy izy. Mpihira, mpanao feo lafika anisan’ireo zoky tao amin’ny tarika niaraka tamin’i Josephine i Meltine. Tsy miala tsikitsiky izay, indrindra rehefa anjaran-dry zareo mpihira no manao ny dihy soroka sy latsi-tanana eny ambony sehatra. Ankoatra ny feo mangany mantsy, hainy ihany koa ny dihy gasy. Maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana, ny tarika Ramilison Besigara ary ny tarika Rossy ny fianakaviamben’ny zavakanto sy ny kolontsaina.

Zo ny Aina

Partager sur: