Raharaham-pirenena koa itony… Hiatrika ny famaranana lehibe ny fifaninanan-kira iraisam-pirenena « Our Generation » hatao any Russie, ny solontena malagasy. Efa vonona tanteraka i Michella, Brenda ary i Riantsoa hiatrika ny seho famaranana, izay hatao ny sabotsy 11 oktobra izao. Mialoha izay anefa, mila ny fanohanan’ireo Malagasy rehetra maneran-tany izy ireo. Hisy mantsy ny fifidianana ho an’ny besinimaro, izay hisokatra rahampitso zoma 10 oktobra, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro aty amintsika, ary hikatona ny sabotsy 11 oktobra amin’ny 1 ora tolakandro. Andro iray na 24 ora ihany, araka izany, no ahafahan’ny rehetra mifidy izay mpifaninanana tiany handrombaka ny amboara.
« Hozaraina ny zoma 10 oktobra amin’ny 12 ora atoandro ny rohy ahafahantsika mifidy. Raha tamin’ny fandraisana anjaran’i Filamatra tamin’ny taon-dasa dia tamin’ny alalan’ny mailaka ny nifidianana, fa amin’ity kosa mbola miandry isika », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitra iray ao amin’ny Real TV, izay nandray an-tanana ny fikarakarana ny fifaninanana nifantenana ireo solontena malagasy ireo, ka hatrany amin’izao fandraisany anjara any Russie izao.
Tsara toerana ny solontena malagasy, ary tombony ny nahafahan’izy telo mirahavavy indray niara-dia hiatrika ny famaranana, raha toa ka i Filamatra irery no nandeha tamin’ny 2024. Tsy vitan’izay fa mbola ao anatin’ny delegasiona malagasy koa ny coach Fidy, manohana sy manoro azy ireo. Eo koa ireo ekipan’ny fampahalalam-baovaon’ny Real Tv, izay hampita ny vaovao avy any an-toerana.
Zo ny Aina




