Nampiasa vola sandoka : Mpisoloky nahatrarana 1 700 000 Ar

Lehilahy mpampiasa vola sandoka notanan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny biraon’ny polisy Analavory, ny talata 7 oktobra lasa teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana mi­asa ao amin’ny kaominina Analavory fa misy tranga fiparitahana vola sandoka. Nanao fanadihadiana izy ireo. No­resen’ilay mpanao ratsy lahatra ny mpivarotra omby iray ka lasany ny omby. Nanararao­tra nampiasa ny vola sandoka teny aminy anefa ilay mpisandoka nandritra ny fividianany ny omby. Tsy nisalasala nandray ny vola ny tompon’omby. Nanamarina ny vola rehetra voarainy izy taorian’izay. Tsi­kariny fa sandoka ny ankamaroan’ny vola nomena azy. Niantso avy hatrany ny polisim-pirenena ity farany. No­karohina ilay mpisoloky. Tsy afa-nanda izy ary niaiky fa nampiasa ireo vola sandoka mitetina 1 700 000 Ar ireo. Tsy nitonona ny toerana naha­zoany ny vola ilay mpisan­doka. Nanohy ny fanadiha­diana azy ny mpitandro fila­minana miasa eo anivon’ny kaomisaria Miarinarivo, ka nogiazana avokoa ireo vola sandoka ary ho dorana aorian’ ny fanolorana an’io mpanao ratsy io eny anivon’ny fitsa­rana. Marihina, iharan’ny sazy henjana ireo minia manamboatra sy mampiasa vola sandoka eto Madagasikara. Voa­raran’ny lalàna izany.

Tsiferana R.

Partager sur: